Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-3

1 Nanao ny fanompoana tamin'ny Tompo teo anatrehan'i Helì, Samoela kely. Nahalana ny tenin'ny Tompo tamin'izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.

2 Tamin'izany andro izany nony nandry Helì teo amin'ny fitoerany, - ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy; 3 ny jiron'Andriamanitra mbola tsy maty, ary Samoela nandry tao an-tempolin'ny Tompo izay nisy ny fiaran'Andriamanitra; - 4 dia nantsoin'ny Tompo Samoela ka namaly hoe: Inty aho! 5 Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Ary hoy Helì: Tsy niantso aho, fa miverena mandry. Dia lasa izy nandry. 6 Nantsoin'ny Tompo indray Samoela ka niarina Samoela dia nankany amin'i Helì, nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Namaly Helì: Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry. 7 Tsy mbola nahalala an'ny Tompo Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin'ny Tompo izy. 8 Ary nantsoin'ny Tompo fanintelony indray Samoela ka niarina, dia nankany amin'i Helì, 9 nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy hianao. Fantatr'i Helì tamin'izay fa Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy Helì tamin'i Samoela: Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena, ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tany amin'ny fitoerany. 10 Ary tonga Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: Ry Samoela ô! ry Samoela ô! Dia namaly Samoela: Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.

11 Ary hoy Iaveh tamin'i Samoela: Indro aho hanao zavatra eo amin'Israely; ka tsy hisy handre izany ka tsy hangintsingintsina ny sofiny roa. 12 Hotanterahiko amin'i Helì amin'izany andro izany izay rehetra voalazako ny amin'ny tranony; hanomboka aho ary hanapitra koa. 13 Voalazako taminy fa handeha hanao fitsarana ny tranony aho ho amin'ny mandrakizay, noho ny heloka izay fantany, sy ny nivarinan'ny zanany ho ratsy, nefa tsy nosakanany. 14 Izany no nianianako tamin'ny tranon'i Helì fa tsy ho azo honeran'ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon'i Helì.

15 Dia mbola nandry mandra-pahamarain'ny andro Samoela vao namoha ny varavaran'ny tranon'ny Tompo. Ary natahotra Samoela ny hilaza ny fahitany tamin'i Helì. 16 Fa nantsoin'i Helì kosa Samoela nataony hoe: Ry Samoela zanako ô! ka namaly hoe: Inty aho. 17 Ary hoy Helì: Inona no teny voalaza taminao? Masìna hianao, aza anafenana amiko. Hoentin'ny Tompo amin'izay sarotra indrindra anie hianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao. 18 Dia nambaran'i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy Helì: Iaveh izy ka aoka hataony izay fantany ho mety. 19 Dia nitombo ho lehibe Samoela sady nomba azy Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.

20 Fantatr'Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin'ny Tompo marina tokoa Samoela. 21 Ary Iaveh nanohy ny fisehoany tao Silao, fa niseho tamin'i Samoela tao Silao Iaveh, tamin'ny tenin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0528