Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-31

1 Nony rafita ny adin'ny Filistina tamin'Israely, dia nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'Israely, ka lavo voan'ny ratra mahafaty teo an-tendrombohitra Jelboe.

2 Nikiry nanenjika an'i Saola sy ny zanany ny Filistina, ka matin'ny Filistina avokoa Jonatasy sy Abinadaba ary Melkisoà zanak'i Saola. 3 Dia Saola no nanaovan'ny mpiady am-bezatra; hitan'ny mpandefa tsipìka izy, ka natahotra mafy ny mpandefa tsipìka. 4 Dia hoy Saola tamin'ity mpitondra fiadiany: Tsoahy ny sabatrao ka atrobary ahy, fandrao dia ireo tsy mifora ireo indray no tonga manatrobaka ahy, ka alany baraka aho. Tsy nety ilay mpitondra fiadiany, fa raiki-tahotra izy, ka Saola no naka ny sabany, dian nianjera taminy. 5 Nony hitan'ity mpitondra fiadiany fa maty Saola, dia mba nanjera tamin'ny sabany koa izy, ka niara-maty taminy. 6 Izany no niarahany maty androtr'izay ihany, dia Saola sy ny zanany telo lahy, ary ny mpitondra fiadiany, mbamin'ny olona rehetra. 7 Nony hitan'ny olona amin'Israely izay nitoetra taty an-dafin'ny tany lemaka, sy tety an-dafin'i Jordany, fa nandositra ny zanak'Israely, dia nilaozany ny tanànany ka lasa nandositra izy, dia tonga ny Filistina nonina tao. 8 Ny ampitson'iny, tonga handroba ny zavatra teny amin'ny maty ny Filistina, ka nahita an'i Saola sy ny zanany telo lahy nitsitra tany an-tendrombohitra Jelboe.

9 Dia notapahiny ny lohany, nalainy ny fiadiany, ary naniraka olona izy ireo mba hiantso izany vaovao mahafaly izany eran'ny tanin'ny Filistina rehetra, tao an-tempolin-tsampiny, sy amin'ny vahoaka. 10 Ny fiadian'i Saola napetrany tao amin'ny tempolin'i Astarte ary ny fatiny napetany teo amin'ny mandan'i Betsàna. 11 Nony ren'ny mponina tany Jabesa any Galaada ny nanaovan'ny Filistina an'i Saola,

12 dia niainga ny lehilahy mahery rehetra, ka nandeha mandritra ny alina manontolo dia nanesotra ny fatin'i Saola sy ny fatin-janany teo amin'ny mandan'i Betsàna vao niverina tany Jabesa, dia nodorany tao ireo. 13 Noraisiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ny tamariska tao Jabesa; ary nifady hanina hafitoana izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1028