Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-4

1 Ary natao tamin'Israely rehetra ny tenin'i Samoela. Dia nivoaka hiady tamin'ny Filistina Israely ka nitoby teo akaikin'ny Eben-Ezera; ary ny Filistina nitoby tao Afeka.

2 Ary nony nilahatra hiady tamin'Israely ny Filistina, ka rafitra ny ady, dia resin'ny Filistina Israely, nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady teo amin'ny tany lemaka. 3 Niverina tany an-toby ny olona, ary hoy ny loholon'Israely: Nahoana Iaveh no namely antsika teo anoloan'ny Filistina androany? Andeha hoentina hankaty amintsika avy any Silao ny fiaran'ny faneken'ny Tompo; aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin'ny tànan'ny fahavalontsika izy. 4 Dia naniraka nankany Silao ny olona, ka nentina avy any amin'io tanàna io ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tafika, izay mipetraka amin'ny kerobima. Niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Andriamanitra izy mirahalahy zanak'i Helì, dia Ofnì sy Finea. 5 Nony niditra teo an-toby ny fiaran'ny faneken'ny Tompo dia nihoby an-kafaliana lehibe Israely rehetra, ka nanako ny tany.

6 Ren'ny Filistina ny fikotrokotrok'izany hoby izany, ka hoy izy: Inona no anton'izany hobin-kafaliana mikotrokotroka any an-tobin'ny Hebrio izany? Dia reny fa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo no tonga tao an-toby. 7 Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe: Tonga ao an-toby Andriamanitra. Dia hoy izy: Hahita loza isika, fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandrak'ankehitriny! 8 Hahita loza isika! Iza no hanafaka antsika amin'ny tànan'ireo andriamanitra mahery ireo? Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsiana tany an'efitra tamin'izao loza rehetra izao. 9 Samia matanjaka sy mitomban-dahy hianareo, ry Filistina, fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo. Misehoa ho lehilahy ary miadia. 10 Dia niady ny Filistina ka resy Israely sy samy nandositra ho any an-dainy avy; ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra no lavo tamin'Israely. 11 Ny fiaran'Andriamanitra dia voasambotra ary izy roa lahy zanak'i Helì, Ofnì sy Finea, dia maty. 12 Androtr'izay ihany dia tonga tao Silao ny lehilahy anankiray amin'i Benjamina nihazakazaka avy any an-tany niadiana, rovitra ny akanjony, nihosom-bovoka ny lohany.

13 Tamin'ny fotoana nahatongavany dia nipetraka tamin'ny seza anankiray teo amoron-dàlana Helì ka niandry, fa nangitakitaka ny fony noho ny amin'ny fiaran'Andriamanitra. Rahefa tafiditra tao an-tanàna ralehilahy hilaza izany vaovao izany dia nihorakoraka ny tanàna rehetra. 14 Raha nandre izany horakoraka izany Helì, dia nanao hoe: Inona izao fihahohahoam-pitabatabana izao? Ary niaraka tamin'izay dia tonga ralehilahy nilaza ny vaovao tamin'i Helì. 15 Ary efa valo amby sivy folo taona Helì fahizàny; tsy nihetsika ny masony ary tsy nahita intsony izy. 16 Hoy ralehilahy taminy: Vao tonga avy any amin'ny tany niadiana aho, ary avy any amin'ny tany niadiana no nandosirako androany. Hoy Helì: Nanao ahoana sy ahoana avy, anaka? 17 Dia hoy ity iraka: Nandositra teo anoloan'ny Filistina Israely: be dia be no voavono tamin'ny vahoaka; izy roa lahy zanakao aza maty koa, dia Ofnì sy Fiena, ary ny fiaran'Andriamanitra lasan-ko babo. 18 Vao notononiny ny hoe fiaran'Andriamanitra dia lavo nitsilany avy teo ambony sezany teo anilan'ny vavahady Helì ka folaka ny hatony, dia maty izy, satria olona efa antitra sy mavesatra izy. Efapolo taona no nitsarany an'Israely. 19 Bevohoka sy efa ho teraka ny vinantony vavy, vadin'i Finea, tamin'izay. Nony reny ny vaovao fa hoe lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra ary maty avokoa ny rafozany sy ny vadiny dia nionkina ka teraka, fa voan'ny faharariana.

20 Efa ho faty izy no nilazan'ireo vehivavy teo akaikiny nataony hoe: Aza matahotra fa tera-dahy hianao. Nefa tsy novaliany na nasiany raharaha akory izany. 21 Nataony hoe Ikaboda no anaran'ny zaza fa hoy izy: Efa voaesotra amin'Israely ny voninahitra noho ny nahalasanan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra sy ny nahafatesan'ny rafozany sy ny vadiny. 22 Hoy izy: Efa voaesotra amin'Israely ny voninahitra fa lasan-ko babo ny fiaran'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0403