Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-5

1 Nony azon'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra dia nentiny avy tany Eben-Ezera ho any Azota.

2 Nalain'ny Filistina ny fiaran'Andriamanitra ka nampidiriny tao an-tranon'i Dagona sy napetrany teo anilan'i Dagona. 3 Nony ampitso, nifoha maraina ny Azotiana, ka indro Dagona nitsingidina nihohoka tamin'ny tany, teo anoloan'ny fiaran'ny Tompo. Dia nalainy Dagona ka napetrany teo amin'ny fitoerany indray. 4 Ny ampitson'izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro Dagona fa nitsingidina nihohoka tamin'ny tany, teo anoloan'ny fiaran'ny Tompo, ary ny lohan'i Dagona sy ny tànany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana, 5 fa ny tenabeny miendri-kazandrano no sisa. Izany no tsy anitsahan'ny mpisoron'i Dagona mbamin'izay rehetra miditra ao an-tranon'i Dagona any Azota, ny tokonam-baravaran'i Dagona mandrak'androany. 6 Ary niampatra namely ny Azotiana ny tànan'ny Tompo ka nampiferin'aina azy; fa namely azy tamin'ny vay, tao Azota sy tao amin'ny faritaniny.

7 Nony nahita ny nahazo azy ny Azotiana dia nanao hoe: Aoka tsy hijanona aty amintsika ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, fa manampatra ny tànany amintsika sy amin'i Dagona andriamanitsika izy.

8 Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan'ny Filistina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: Hataontsika ahoana ity fiaran'ny Andriamanitr'Israely? Ka hoy ny navalin'ireo: Aoka hafindra any Geta ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely; ka nafindrany tao ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely. 9 Kanjo vantany vao nafindra tany dia niampatra namely ny tanàna ny tànan'ny Tompo, ka tsiravina indrindra ny tao, fa namely ny olona tao an-tanàna izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe ka nipoiran'ny vay izy ireo. 10 Tamin'izany dia nalefany hankany Akarona ny fiaran'Andriamanitra. Vao niditra tao Akarona ny fiaran'Andriamanitra, dia nibabababa ny Akaronita nanao hoe: Nentiny taty amintsika ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika. 11 Ka naniraka olona niantso ny filohan'ny Filistina rehetra izy, ka hoy izy: Alefaso ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, hiverina any amin'izay nitoerany indray mba tsy hahafaty anay sy ny firenenay. 12 Fa nanerana ny tanàna ny horohoron'ny fahafatesana, ary namely azy mafy ny tànan'Andriamanitra. Ny olona sisa tsy maty dia nasian'ny vay, ka nanakatra ny lanitra ny fibabababam-pahoriana avy tao an-tanàna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0939