Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-6

1 Fito volana no nipetrahan'ny fiaran'ny Tompo tany amin'ny Filistina,

2 dia nantsoin'ny Filistina ny mpisorona mbamin'ny mpimasy, nilazany hoe: Hatao ahoana ity fiaran'ny Tompo? Lazao anay izay famerina azy ho amin'ny fitoerany. 3 Ary hoy ny navaliny: Raha mamerina ny fiaran'Andriamanitr'Israely hianareo, aza mamerina azy fotsiny, fa tsy maintsy ombanareo fanati-panonerana izy; amin'izay dia ho sitrana hianareo, ka ho fantatrareo ny tsy nialan'ny tànany taminareo. 4 Ka hoy ny Filistina: Inona no fanati-panonerana hataonay aminy? 5 Dia hoy ny navaliny: Vay volamena dimy, sy totozy volamena dimy, araka ny isan'ny andrianan'ny Filistina, fa aretina iray ihany no nahazo anareo sy ny andriananareo. Koa manaova sarin'ny vainareo sy sarin'ny totozinareo, izay manimba ny tany; izany anomezo voninahitra ny Andriamanitr'Israely; fa angamba izy hitsahatra tsy hanampatra ny tànany aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo. 6 Nahoana hianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan'i Ejipta sy Faraona ny fony? Tsy nalefan'ireo handeha va ny zanak'Israely, nony efa nasiany tamin'ny saziny izy ireo? 7 Koa ankehitriny manaova sarety iray vaovao, ary mangalà ombivavy roa mitaiza, tsy mbola nitondra zioga; afehezo amin'ny sarety ny ombivavy, ary ny zanany ento lavitra azy any an-tranon'omby. 8 Dia alaovy ny fiaran'ny Tompo, apetraho eo ambony sarety, ary apetraho eo anilany anaty vata kely, ireo fanaka volamena homenareo ho fanati-panonerana, ka alefaso izy dia handeha any. 9 Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin'ny làlana mankany amin'ny taniny, ho any Beti-Samesy izy, dia Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tànany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan'izany tamintsika. 10 Dia nataon'ny olona izany; naka ombivavy roa mitaiza izy, nafehiny tamin'ny sarety, ary nohidiany tao an-tranon'omby ny zanany;

11 dia napetrany teo ambony sarety ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny vata kely nisy ny totozy volamena sy ny sarim-bainy. 12 Avy hatrany dia ny làlana mankany Beti-Samesy no nalehan'ireto ombivavy. Nizotra tamin'izany làlana izany izy sady nandroso no nimamà, ka tsy nivily ho amin'ny ankavanana izy, na ho amin'ny ankavia. Narahin'ny andrianan'ny Filistina avy eo aoriany izy hatrany amin'ny faritanin'i Beti-Samesy. 13 Nijinja varim-bazaha tany an-dohasaha ny olona tao Beti-Samesy. Nony nanopy ny masony izy dia nahatazana ny fiara, ka nifaly nahita azy.

14 Tonga teo amin'ny sahan'i Josoe Betisamita ny sarety ka nijanona teo. Nisy vato lehibe teo, ka novakina ny hazon-tsarety dia nateriny ho sorona dorana ho an'ny Tompo ny ombivavy. 15 Nony voampidin'ny Levita ny fiaran'ny Tompo mbamin'ny vata kely teo akaikiny nisy ny fanaka volamena, dia napetrany teo ambonin'ilay vato lehibe. Nanatitra sorona dorana sy sorona ho an'ny Tompo ny mponina tao Beti-Samesy tamin'izany andro izany. 16 Rahefa nahita izany ireo andriana dimy amin'ny Filistina, dia niverina tany Akarona androtr'izay ihany. 17 Izao no vay volamena nomen'ny Filistina an'ny Tompo ho fanati-panonerana: iray tamin'i Azota, iray tamin'i Gazà, iray tamin'i Askalona, iray tamin'i Geta, iray tamin'i Akarona.

18 Ny totozy volamena koa dia araka ny isan'ny tanànan'ny Filistina rehetra an'ireo andriana dimy, na ny tanàna mimanda, na ny vohitra tsy misy manda. Vavolombelon'izany ny vatolampy lehibe izay nametrahana ny fiaran'ny Tompo izay mbola ao amin'ny tanimbarin'i Josoe Betisamita mandrak'androany. 19 Nokapohin'ny Tompo ny olona tao Beti-Samesy, fa nijerijery foana ny fiaran'ny Tompo, ka olona fitopolo sy dimy alina no novonoiny tamin'ny vahoaka. Dia nisaona fatratra ny vahoaka noho ny namelezan'ny Tompo ny vahoaka tamin'ny loza mafy. 20 Ary hoy ny olona ao Beti-Samesy: Iza no ho velona eo anoloan'ny Tompo, dia izany Andriamanitra masina izany? Ary ho any amin'iza no hiakarany, avy eto amintsika? 21 Dia nandefa iraka nankany amin'ny mponina any Kariatiarima izy ireo, hilaza hoe: Naverin'ny Filistina ny fiaran'ny Tompo ka midìna hianareo hampiakatra azy ho any aminareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1404