Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-7

1 Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampakatra ny fiaran'ny Tompo, nentiny nankany an-tranon'i Abinadaba any amin'ny havoana; ary Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny fiaran'ny Tompo.

2 Hatramin'ny andro nametrahana ny fiaran'ny Tompo tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin'ny Tompo ny tranon'Israely rehetra.

3 Ka hoy Samoela tamin'ny tranon'Israely rehetra: Raha miverina amin'ny Tompo amin'ny fonareo rehetra tokoa hianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin'ny Tompo ny fonareo, ka izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin'ny tànan'ny Filistina izy. 4 Dia nesorin'ny taranak'Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka Iaveh irery ihany no notompoiny. 5 Ary hoy Samoela: Vorio any Masfà Israely rehetra ary hivavaka amin'ny Tompo ho anareo aho.

6 Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan'ny Tompo ary nifady hanina tamin'izany andro izany, fa hoy izy: Efa nanota tamin'ny Tompo isika! Ary Samoela nitsara an'Israely tany Masfà. 7 Ren'ny Filistina fa nivory tany Masfà ny zanak'Israely ka niakatra ny andrianan'ny Filistina hamely an'Israely. Nandre izany ny zanak'Israely ka raiki-tahotra ny Filistina izy ireo,

8 ka hoy ny zanak'Israely tamin'i Samoela hoe: Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin'ny Tompo Andriamanitsika, mba hamonjeny antsika amin'ny tànan'ny Filistina. 9 Naka zanak'ondry mbola minono Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an'ny Tompo, dia nitaraina tamin'ny Tompo ho an'Israely Samoela, ka nohenoin'ny Tompo. 10 Mbola manatitra ny sorona dorana eo Samoela, no tamy hamely an'Israely ny Filistina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin'ny Filistina kosa Iaveh tamin'izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan'Israely. 11 Ary nivoaka avy tao Masfà ny lehilahy amin'Israely, ka nanenjika ny Filistina, sy namely azy hatrany ambanin'i Beti-Kara. 12 Naka vato Samoela napetrany teo anelanelan'i Masfà sy Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: Efa novonjen'ny Tompo isika hatramin'izao. 13 Nony voaetry toy izany ny Filistina, dia tsy niverina teo amin'ny faritanin'Israely intsony; fa namely ny Filistina ny tànan'ny Tompo, tamin'ny andro rehetra niainan'i Samoela.

14 Ka ny tanàna nalain'ny Filistina tamin'Israely, tafaverina amin'Israely indray, hatrany Akarona ka hatrany Geta; ny faritanin'izy ireo dia nalain'Israely teo an-tànan'ny Filistina. Ary ny Amoreana, nihavana tamin'Israely. 15 Nitsara an'Israely tamin'ny andro rehetra niainany Samoela.

16 Isan-taona, dia nandeha izy nitety an'i Betela sy Galgalà ary Masfà ka nitsara an'Israely tamin'ireo fitoerana rehetra ireo. 17 Rahefa izany dia niverina any Ramà izay nisy ny tranony izy, dia nitsara an'Israely tao, ary nanorina otely tao ho an'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0385