Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-8

1 Nony efa antitra Samoela, dia ireo zanany no natsangany hitsara an'Israely.

2 Joela no anaran'ny zanany lahimatoa, ary Abià no anaran'ny faharoa. Tany Bersabe izy ireo no nitsara. 3 Tsy mba nanara-dia azy ny zanany, fa nivily nanao izay hahazoana, mandray kolikoly sy nandika ny fahamarinana. 4 Nivory ny loholon'Israely rehetra nankany amin'i Samoela, tany Ramà, 5 nanao taminy hoe: Hianao ity efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao, koa mpanjaka toy ny an'ny firenena rehetra no atsangano aminay hitsara anay. 6 Tsy sitrak'i Samoela izany teny izany noho izy ireo nanao hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'ny Tompo Samoela; ary hoy Iaveh tamin'i Samoela:

7 Henoy ny feon'ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao, satria tsy mba hianao no ariany fa izaho no ariany, dia ny tsy hanjakako aminy intsony; 8 toy ny efa nataony mandrakariva hatramin'ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta ka mandrak'izao, fa nilaozany nanompo andriamani-kafa aho, toy izany koa no anaovany anao. 9 Ary ankehitriny, henoy ny feony; nefa manaova teny vavolombelona aminy, ary ampahafantaro azy ny fahefan'ny mpanjaka izay hanjaka aminy. 10 Dia nambaran'i Samoela tamin'ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy ny tenin'ny Tompo rehetra,

11 ka hoy izy: Izao no fahefana ampiasain'ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo: Ny zanakalahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny sy hataony mpitaingin-tsoavaliny, ary hihazakazaka eo alohan'ny kalesiny izy ireo. 12 Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy; hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny, hampanaoviny ny fiadiany, mbamin'ny forongon-kalesiny. 13 Ny zanakavavinareo halainy ho mpamboatra zava-manitra, ho mpahandro, ho mpanao mofo. 14 Ny tanimbarinareo, ny tanim-boalobokareo, ny fototr'olivanareo tsara indrindra dia halainy ka homeny ny mpanompony. 15 Ny ampahafolon'ny vokatra aman-tanim-boalobokareo halainy ka homeny ny tandapa amam-panompony. 16 Ny mpanomponareo, na lahy na vavy, mbamin'ny ombinareo aman'ampondra tsara indrindra halainy hampanaovina ny asany. 17 Ny ampahafolon'ny biby fiompinareo halainy, ary ny tenanareo aza ho andevony. 18 Hitaraina hianareo amin'izany andro izany, noho ny amin'ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo Iaveh. 19 Tsy nety nihaino ny feon'i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy: Tsia, fa aoka ihany izahay mba hanam-panjaka!

20 Dia mba ho toy ny firenena koa izahay: ny mpanjakanay no hitsara anay, hitari-dàlana anay, ary hitari-tafika anay. 21 Nony ren'i Samoela ny teny rehetra nataon'ny vahoaka dia nolazainy indray ho ren'ny Tompo; 22 ka hoy Iaveh tamin'i Samoela: Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy. Dia hoy Samoela tamin'ny lehilahy amin'Israely: Samia mody any an-tanànanareo avy hianareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0991