Boky Voalohan'i Samoela
Toko faha-8
4 Nivory ny loholon'Israely rehetra nankany amin'i Samoela, tany Ramà , 5 nanao taminy hoe: Hianao ity efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao, koa mpanjaka toy ny an'ny firenena rehetra no atsangano aminay hitsara anay. 6 Tsy sitrak'i Samoela izany teny izany noho izy ireo nanao hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'ny Tompo Samoela; ary hoy Iaveh tamin'i Samoela:7 Henoy ny feon'ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao, satria tsy mba hianao no ariany fa izaho no ariany, dia ny tsy hanjakako aminy intsony;