Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Boky Voalohan'i Samoela

1 Samoela toko 8, 4-7
<4Nivory ny loholon'Israely rehetra nankany amin'i Samoela, tany Ramà, 5nanao taminy hoe: Hianao ity efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao, koa mpanjaka toy ny an'ny firenena rehetra no atsangano aminay hitsara anay.
       6Tsy sitrak'i Samoela izany teny izany noho izy ireo nanao hoe: Omeo mpanjaka izahay hitsara anay. Dia nivavaka tamin'ny Tompo Samoela; ary hoy Iaveh tamin'i Samoela: 7Henoy ny feon'ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao, satria tsy mba hianao no ariany fa izaho no ariany, dia ny tsy hanjakako aminy intsony; >