Boky Voalohan'i Samoela

Toko faha-9

1 Nisy lehilahy anankiray avy amin'i Benjamina atao hoe Kisy, zanak'i Abiela, zanak'i Serora, zanak'i Bekorata, zanak'i Afià, zanaky ny Benjamita anankiray; lehilahy mahery fo izy io.

2 Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin'ny zanak'Israely rehetra, ary nanatombo ny lohany izy amin'ny halavany noho ny olona rehetra. 3 Ary nania ny ampondravavin'i Kisy, rain'i Saola, ka hoy Kisy tamin'i Saola zanany: Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao dia mandehana mitady ny ampondra.

4 Dia namaky ny tendrombohitr'i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita; novakiny koa ny tany Salima, fa tsy tany izy; namaky ny tanin'i Benjamina izy, fa tsy nahita. 5 Nony tonga teo amin'ny tanin'i Sofa izy ireo, dia hoy Saola tamin'ity mpanompo nanaraka azy: Andeha isika hiverina, fandrao dia isika indray no hoahin'i dada, fa ny ampondra tsy hoheveriny intsony. 6 Ka hoy ilay mpanompo taminy: Indro misy olon'Andriamanitra amin'itsy tanàna itsy, lehilahy hajaina tokoa izy; izay lazainy tanteraka avokoa. Ka andeha isika ho ao, fa angamba holazainy amintsika ny làlana tsy maintsy hombantsika. 7 Ary hoy Saola tamin'ny mpanompony: Raha hankao isika, dia inona no hatolotsika ho an-dralehilahy? Lany ity ny vatsy tamin'ny lasakantsika, ka tsy manan-javatra hatolotra ho an'ny olon'Andriamanitra isika. Fa manan'inona isika? 8 Dia namaly indray ilay mpanompo ka hoy izy tamin'i Saola: Inty eto nahita vola ampahefatry ny sikla aho taty amiko, ka homeko ilay olon'Andriamanitra ity, dia hatorony antsika izay làlan-kalehantsika. 9 Teo amin'Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin'Andriamanitra dia nifampilaza hoe: Andeha isika ho any amin'ny mpahita. Fa mpahita no fiantson'ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany. 10 Dia hoy Saola tamin'ny mpanompony: Tsara ny hevitrao ka andao àry. Ka dia lasa izy ireo nankany amin'ny tanàna nisy ilay olon'Andriamanitra. 11 Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin'ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin'ireo hoe: Ao ihany va ny mpahita?

12 Dia hoy iretsy zazavavy namaly azy: Ao ihany izy, indro izy ao alohanao ao, fa mandehana faingana satria izy no tonga aty an-tanàna anio, dia misy sorona haterin'ny vahoaka anio eo amin'ny fitoerana avo. 13 Raha vao miditra ao an-tanàna hianareo, dia hahita azy, alohan'ny hiakarany eo amin'ny fitoerana avo hisakafoany, fa tsy hihinana ny vahoaka raha tsy efa tonga izy, satria tsy maintsy mitso-drano ny sorona izy aloha, vao izay vao mihinana izay nasaina. Ka miakara izao fa mahita azy hianareo anio. 14 Dia niakatra tao an-tanana izy. Efa tafiditra teo afovoan'ny tanana izy, dia inty Samoela nivoaka nitsena azy, dia ndeha ho eo amin'ny fitoerana avo.

15 Ary omalin'ny nahatongavan'i Saola, dia efa nanambara tamin'i Samoela Iaveh nanao hoe: 16 Rahampitso toy izao dia hirahiko ho aty aminao ny lehilahy iray avy any amin'ny tanin'i Benjamina, ary hosoranao izy ho mpanjakan'Israely oloko, ary hanafaka ny oloko amin'ny tànan'ny Filistina izy, satria efa nijery ny oloko aho, fa efa mby aty amiko ny fitarainany. 17 Ka vao nahita an'i Saola Samoela dia hoy Iaveh taminy: Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin'ny oloko. 18 Nanatona an'i Samoela tao am-pamatonan'ny vavahady Saola nanao hoe: Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon'ny mpahita.

19 Dia hoy Samoela tamin'i Saola: Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin'ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko hianareo anio; rahampitso vao halefako handeha hianao, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao. 20 Ary aza manan'eritreritra ny amin'ireo ampondranao izay verinao efa hateloana izay, fa efa hita ireny. Sady ho an'iza koa moa ny zava-tsoa rehetra ao amin'Israely? Moa tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao rehetra va izany? 21 Ka hoy ny navalin'i Saola: Moa tsy Benjamita aho, amin'ny kely indrindra amin'ny fokon'Israely? Ary amin'ny fokon'i Benjamina moa tsy dia ny fianakaviako va no kely indrindra! Ka ahoana ange no nilazanao teny toy izany tamiko? 22 Fa nentin'i Samoela Saola sy ny mpanompony ka nampidiriny tao amin'ny efi-trano, sy nomeny ny toerana voalohany teo amin'ireo nasaina, izay lehilahy tokony ho telopolo. 23 Ary hoy Samoela tamin'ny mpanao nahandro: Arosoy ilay anjara napetrako taminao sady nilazako hoe: avaho hotehirizina. 24 Dia nalain'ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin'ny momba azy, ka narosony teo anoloan'i Saola. Ary hoy Samoela: Indro ny anjara voaavako, raiso ho eo anoloanao io ary hano, fa hatramin'ny nanasako ny olona no nitahirizana azy ho amin'ity fotoana ity. Dia niara-nihinana tamin'i Samoela Saola tamin'izay andro izay. 25 Nidina avy ao amin'ny fitoerana avo izy ka nankao an-tanàna, ary niresaka tamin'i Saola tao ambony tafon-trano Samoela.

26 Nifoha vao maraina koa izy ireo ary nony nazava atsinanana, dia nantsoin'i Samoela ho ao ambonin'ny tafo Saola nataony hoe: Mitsangàna fa halefako hianao. Dia nitsangana Saola, ka niara-nivoaka izy roalahy, dia izy sy Samoela. 27 Nony tafidina tany ami'ny faran'ny tanàna izy ireo, dia hoy Samoela tamin'i Saola: Asaovy mialoha antsika ny mpanomponao. Dia nialoha ilay mpanompo. Ary mijanòna hianao izao hampandrenesako anao izay nambaran'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0454