Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-10

1 Niady tamin'Israely ny Filistina ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'Israely, ka lavo teny an-tendrombohitra Jelboe efa azon'ny ratra mahafaty.

2 Nifikitra nanenjika an'i Saola sy ireo zanany ny Filistina ka matin'ny Filistina Jonatàna sy Abinadaba ary Melkisoi, zanak'i Saola. 3 Dia Saola indray no nezahin'ny ady mafy. Nony hitan'ny mpandefa tsipìka izy, dia natahotra mafy an'ireo mpandefa tsipìka izy. 4 Ary hoy Saola tamin'ny mpitondra fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka trobary aho, fandrao avy manevateva ahy ireo tsy mifora ireo. Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana fa azon-tahotra, ka nalain'i Saola ny sabany, dia nianjerany avy eo ambony. 5 Vao hitan'ilay mpitondra fiadiana fa maty Saola, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy, ka maty. 6 Toy izany no nahafatesan'i Saola sy ny zanany lahy, ary indray maty ny ankohonany rehetra. 7 Nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'Israely, izay teny amin'ny tany lemaka, fa nandositra ny zanak'Israely, ary maty koa Saola sy ny zanany, dia nilaozan'izy ireo ny tanànany, ka nitsoaka nandositra izy; ary tonga sy niorim-ponenana teo ny Filistina. 8 Ny ampitson'iny, tonga handroba ny zavatry ny maty ny Filistina ka hitany niampatra teo an-tendrombohitra Jelboe, Saola sy ny zanany.

9 Nendahany ny teny an-kodiny dia nentiny ny lohany amam-piadiany; rahefa izany, dia nandefa iraka izy, hilaza izany zava-baovao mahafaly izany eran'ny tanin'ny Filistina, eo anoloan'ny sampiny sy ny vahoaka rehetra. 10 Ny fiadian'i Saola, napetrany tao an-tranon'ny andrimaniny, ary ny karandohany nohomboany tao amin'ny tempolin'i Dagona. 11 Nony nandre izay rehetra nataon'ny Filistina tamin'i Saola ny tany Jabesa any Galaada rehetra, 12 dia niainga avokoa ny lehilahy mahery, naka ny fatin'i Saola sy ny fatin'ireo zanany, ary nitondra azy ho any Jabesa. Naleviny teo ambanin'ny terebinta tao Jabesa ny taolany, dia nifady hanina hafitoana izy ireo. 13 Maty Saola noho ny hadisoany tamin'ny Tompo, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin'ny Tompo izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin'ireo mpiantso ny maty.

14 Tsy nila hevitra tamin'ny Tompo izy, ka dia novonoin'ny Tompo, ary nafindrany amin'i Davida zanak'Isaia ny fanjakana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798