Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-12

1 Fony Davida mbola tsy maintsy nitoetra lavitra ny tavan'i Saola zanak'i Kisa, dia ireto no tonga nankeo aminy tao Sikelega: anisan'ny mahery nanampy azy nandritra ny ady izy ireo.

2 Mpandefa tsipìka zatra manavia manavanana raha mandefa vato, zatra mandefa zana-tsipìka amin'ny tsipìkany; avy amin'ny rahalahin'i Saola, amin'i Benjamina: 3 Ahisera no lohany, dia Joasa, zanak'i Samaà, any Gabaà; Jaziela sy Faleta, zanak'i Azmota; Barakà, Jehò avy any Anatota; 4 Samaiasa avy any Gabaona, lehilahy mahery isan'ny telo-polo lahy sy lehiben'ny telopolo lahy; Jeremia; Jeheziela; Johanàna; Jezabada avy any Gederà; 5 Elozaì; Jerimota; Baalià; Samarià; 6 Safatià avy any Harofa; Elkanà, Jesià, Azareela, Joesera ary Jesbaama zanak'i Kore; 7 Joela sy Zabadià zanak'i Jerohama avy any Gedora. 8 Tamin'ny Gadita, nisy lehilahy mahery nanatona an'i Davida tany amin'ny toerana mimanda, tany an'efitra; mpiantafika zatra ady, mahay mampiasa ampinga aman-defona, miendriky ny liona, faingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra.

9 Ezera no lohany, Obdiasa no faharoa, 10 Eliaba no fahatelo, Maamana no fahefatra, 11 Jeremia no fahadimy, Etì no fahenina, 12 Eliela no fahafito, Johanàna no fahavalo. 13 Elzebada no fahasivy, Jeremia no fahafolo, Makabanaì no faharaik'ambin'ny folo. 14 Taranak'i Gada izy ireo, lehiben'ny foloalindahy, ny iray kely indrindra aminy maharesy zato lahy; ary ny iray lehibe indrindra, maharesy arivo lahy. 15 Izy ireo no nita an'i Jordany, tamin'ny volana voalohany, fony izy nihoatra ny morony rehetra, ka nampandositra ny mponina rehetra teny amin'ny lohasaha na any atsinanana na any andrefana. 16 Nisy nanatona an'i Davida tany amin'ny toerana mimanda kosa ny taranak'i Benjamina sy Jodà.

17 Nivoaka hitsena azy ireo Davida sady niteny, nanao taminy hoe: Raha hevi-pihavanana no ahatongavanareo atý amiko, mba hanampy ahy, dia hitongilana aminareo ny foko hikambanantsika, fa raha hamadika sy hanolotra ahy amin'ny fahavaloko kosa, nefa tsy misy an-keriny nataon'ny tànako dia ny Andriamanitry ny razantsika no aoka hijery sy hamaly izany. 18 Ary Amasaì, lehiben'ny telopolo lahy, dia nosaronan'ny Fanahy, ka nanao hoe: Anao izahay ry Davida, ary momba anao, ry zanak'Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'izay manampy anao, fa ny Andriamanitrao efa nanampy anao. Dia noraisin'i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin'ny lehiben'ny antokon'ny miaramila. 19 Nisy lehilahy sasany tamin'i Manase nikambana tamin'i Davida fony izy niaraka tamin'ny Filistina nandeha hiady amin'i Saola. Nefa tsy nanampy ny Filistina nalefa nody Davida, fa hoy izy: Ny lohantsika no mety hahita loza hiverenany amin'i Saola tompony.

20 Raha niverina tany Sikelega izy dia nisy olona avy amin'i Manase, nanatona azy: Ednasa, Jozadaba, Jedihela, Mikaela, Jozadaba, Eliao ary Sabataì, tompon'arivo amin'i Manase ireny. 21 Nanampy an'i Davida hamely ny andian-jirika izy ireo, fa samy lehilahy mahery ka tonga lehibe tamin'ny foloalindahy. 22 Koa isan'andro isan'andro no nisy olona tonga tao amin'i Davida hamangy azy, mandra-pahatongany ho tafika lehibe toy ny tafik'Andriamanitra. 23 Izao no isan'ny lehiben'ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an'i Davida, tany Hebrona, mba hamindra ny fanjakan'i Saola aminy araka ny didin'ny Tompo.

24 Tamin'ny taranak'i Jodà, valon-jato amby enina arivo lahy mitondra ampinga aman-defona, hary fiadiana mba hiady.

25 Tamin'ny taranak'i Simeona, zato amby fito arivo lahy, samy lehilahy mahery an'ady. 26 Tamin'ny taranak'i Levì, enin-jato sy efatra arivo lahy. 27 Ary Joiada lehiben'ny taranak'i Aarona, ary fiton-jato sy telo arivo lahy no niaraka taminy. 28 Ary Sadaoka zatovo mahery mbamin'ny fianakavian-drainy, dia filohany roa amby roapolo. 29 Avy amin'ny taranak'i Benjamina, rahalahin'i Saola, telo arivo lahy; fa ny ankabeazan'ireo, hatramin'izay, mbola niraiki-po tamin'ny fianakavian'i Saola ihany. 30 Tamin'ny taranak'i Efraima, valon-jato amby roa alina, samy lehilahy mahery sy malaza any amin'ny fianakavian-drainy avy. 31 Avy amin'ny antsasa-pokon'i Manase valo arivo sy iray alina, voatendry tamin'ny anarany no avy hampanjaka an'i Davida. 32 Avy tamin'ny taranak'Isakara izay nahafantatra ny andro hahalalàna ny tokony hataon'Israely, roan-jato lahy samy lohany, mbamin'ny rahalahiny rehetra ambany fahefany. 33 Avy amin'i Zabolona, dimy alina, samy azo alefa amin'ny tafika, vonon-kiady, efa hary fiadiana tsara mihitsy, mba hilahatra hiady amin'ny fo tsy miroahana. 34 Avy amin'i Neftalì, filohany arivo; ary fito arivo amby telo alina mitondra ampinga sy lefona, no niaraka taminy. 35 Avy amin'ny Danita enin-jato amby valo arivo sy roa alin-dahy vonon-kiady. 36 Avy amin'i Asera efatra alina, samy azo alefa amin'ny tafika sy vonon-kiady. 37 Ary ny avy any an-dafin'i Jordany, amin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase, roa alina sy iray hetsy lahy, hary fitaovana enti-miady tsara mihitsy. 38 Ireo lehilahy mpiady rehetra ireo, izay samy nahay nilahatra hiady avokoa, dia tonga tao Hebrona, tamin'ny fo mahitsy hanangana an'i Davida ho mpanjaka amin'Israely rehetra, ary Israely sisa rehetra koa, dia niray fo torak'izany hanangana an'i Davida ho mpanjaka.

39 Hateloana izy ireo no nitoetra tao niaraka tamin'i Davida, dia nihinana sy nisotro, fa efa nanomana vatsy ho azy ny rahalahiny. 40 Ary na dia izay nitoetra tao anilany aza hatramin'Isakara sy Zabolona ary Neftalì samy nampitondra hanina, netin'ny ampondra aman-drameva mbamin'ny omby sy ny mole, dia lafarina, ampempan'aviavy maina amam-boaloboka maina, divay, diloilo, omby aman-ondry sesehena, satria nisy fifaliana tamin'Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0921