Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-13

1 Ary Davida niara-nihevitra tamin'ny tompon'arivo sy ny tompon-jato ary ny mpifehy rehetra,

2 ka hoy Davida tamin'ny fiangonan'Israely rehetra hoe: Raha ataonareo ho mety, sy raha toa hevitra avy amin'Andriamanitsika, dia handeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika sisa rehetra, any amin'ny tanin'Israely rehetra sy any amin'ny mpisorona mbamin'ny Levita ao amin'ny tanànany misy tany fiandrasany biby, mba hikambana amintsika izy, 3 sy hitondrantsika ho atý amintsika indray ny fiaran'Andriamanitra, fa tsy nahoantsika akory izany tamin'ny andron'i Saola. 4 Nasain'ny fiangonana rehetra hatao izany, satria noheverina ho tsara teo imason'ny vahoaka rehetra izany. 5 Koa novorin'i Davida Israely rehetra, hatramin'ny Sihora any Ejipta, ka hatrany amin'ny hadilàlan'i Emata, haka ny fiaran'Andriamanitra avy any Kariatiarima.

6 Dia niakatra Davida mbamin'Israely rehetra, nankany Baalà, izany hoe Kariatiarima izay any Jodà, mba hampiakatra avy any ny fiaran'Andriamanitra, ny fiaran'ny Tompo izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima, izay fiantsoana ilay Anarana. 7 Napetrany teo ambony sarety vaovao ny fiaran'Andriamanitra dia nentiny avy tao an-tranon'i Abinadaba: Ozà sy Ahiao nitarika ny sarety; 8 Davida sy Israely rehetra nandihy araka izay tratra teo anatrehan'Andriamanitra; sady nihira niaraka tamin'ny harpa aman-dokanga sy amponga tapaka, sy kipantsona, aman'anjomara. 9 Nony tonga teo am-pamoloan'i Kidona, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Ozà, fa nisolifaka ny omby.

10 Fa nirehitra tamin'i Ozà ny fahatezeran'ny Tompo, ka nokapohin'ny Tompo izy, noho izy naninji-tànana tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra Ozà. 11 Nahatezitra an'i Davida ny nikapohan'ny Tompo an'i Ozà toy izany, ary io toerana io dia nantsoina mandrak'androany hoe Ferets-Ozà. 12 Natahotra an'Andriamanitra Davida tamin'izay andro izay, ka nanao hoe: Hataoko ahoana no fampiditra ny fiaran'Andriamanitra ho ao amiko? 13 Ka tsy notarihin'i Davida, ny fiara, fa nasainy nentina tany an-tranon'i Obededoma, any Geta. 14 Dia nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obededoma tao an-tranony, ny fiaran'Andriamanitra; ary nambinin'ny Tompo ny ankohonan'i Obededoma mbamin'ny anànany rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376