Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-14

1 Ary Hirama mpanjakan'i Tira, nandefa iraka tany amin'i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.

2 Dia fantatr'i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin'Israely Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho Israely vahoakany. 3 Mbola naka vady koa Davida tany Jerosalema ka mbola niteraka zazalahy aman-jazavavy.

4 Izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoà, Sobada, Natana, 5 Salomona, Jebahara, Elisoa, 6 Elifaleta, Nefega, Jafia, 7 Elisamà, Baniadà ary Elifaleta. 8 Ren'ny Filistina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin'Israely rehetra Davida; dia niakatra hitady an'i Davida ny Filistina rehetra. Nahare izany Davida ka dia nivoaka hanoloana an'ireo izy.

9 Nony tonga ny Filistina dia nirotsaka teny amin'ny lohasahan'ny Refaima. 10 Nanontany an'Andriamanitra Davida nanao hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànako va izy? Ka hoy Iaveh taminy: Miakara, ary hatolotro eo an-tànanao izy. 11 Dia niakatra nankany Baalal-Farasina izy ireo ka nandresy azy tao Davida. Ary hoy Davida: Ny tànako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko, toy ny amakian'ny rano ny fefiloha. Izany no nanaovana ny anaran'io fitoerana io hoe: Baala-Farasina. 12 Nilaozan'irerý tao ny andriamaniny, ka nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo. 13 Nirotsaka indray ny Filistina teny amin'ny lohasaha.

14 Dia nanontany an'Andriamanitra Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy hianao avy eo amin'ny lafiny misy ny balsamie. 15 Ka rahefa mandre figondongodon'olona any an-tendron'ny balsamie hianao, miroata hiady amin'izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistina. 16 Dia nataon'i Davida izay nandidian'Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistina, hatrany Gabaona ka hatrany Gazera izy ireo. 17 Dia niely eran'ny tany rehetra ny lazan'i Davida, ary nataon'ny Tompo natahotra azy ny firenena rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0885