Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-16

1 Nony efa voampiditra ny fiaran'Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan'ny lay naorin'i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra ny olona.

2 Nony vitan'i Davida ny fanolorana ny sorona dorana sy ny sorom-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'ny Tompo izy. 3 Ary ny olona rehetra tamin'Israely na lahy na vavy, dia nizarany mofo iray avy, sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka iray. 4 Nisy Levita sasany notendren'i Davida hitoetra eo anatrehan'ny fiaran'ny Tompo mba hanao ny fanompoana amin'ny fangatahana, fankalazana sy fiderana an'ny Tompo Andriamanitr'Israely;

5 dia Asafa filohany, Zakaria faharoa, dia Jahiela, Semiramota, Jehiela, Matatiasa, Eliaba, Banaiasa, Obededoma ary Jehiela, izay nanan-java-maneno, lokanga, harpa, ary Asà nampaneno ny kipantsona, 6 Banaiasa sy Jaziela mpisorona nitsoka anjomara lalandava, teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra. 7 Tamin'izay andro izay no voalohany nanapahan'i Davida, fa ny feon'i Asafa sy ny rahalahiny no hankalazana an'ny Tompo:

8 Midera an'ny Tompo; miantsoa ny anarany; ampahafantaro ny firenena ny zava-dehibe nataony.

9 Manaova hira fanajana azy, mihira salamo fanajana azy. Torio ny fahagagana rehetra nataony.

10 Ataovy reharehanareo ny anarany masina; a Aoka ho faly ny fon'izay mitady an'ny Tompo.

11 Katsaho Iaveh sy ny heriny, tadiavo lalandava ny tavany.

12 Tsarovy ny zava-mahatalanjona nataony, ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,

13 ry taranak'Israely mpanompony, ry terak'i Jakoba, hianareo olom-boafidiny.

14 Izay Iaveh no Andriamanitsika, mahazo ny tany rehetra ny fitsarany.

15 Tsahivo mandrakariva ny fanekeny, ny teny nataony ho an'ny taranaka arivo mandimby.

16 Ny fanekena nifanaovany tamin'i Abrahama, ny fianianana nataony tamin'Isaaka,

17 izay naraikiny ho lalàna ho an'i Jakoba, ary ho fanekem-pihavanana mandrakizay ho an'Israely,

18 nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanaana, ho anjara lovanao.

19 Fony mbola mora isaina hianareo, vitsy isa, sady vahiny tamin'ny tany,

20 nivezivezy nifindra firenena izy ireo, avy amin'ny fanjakana iray ho amin'ny vahoaka hafa,

21 tsy navelany hisy hampahory azy, fa izy ireo aza namaizany mpanjaka:

22 aza mitendry ireo voahosotro, aza manisy ratsy ny mpaminaniko.

23 Mihira ho an'ny Tompo, ry mponina amin'ny tany rehetra; torio isan'andro ny famonjeny.

24 Ambarao amin'ny firenena ny voninahiny ary amin'ny vahoaka rehetra ny fahagagany.

25 Fa lehibe Iaveh ka mendrika hoderaina indrindra, ary mahatahotra mihoatra ireo andriamanitra rehetra izy;

26 fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia sampy. Ary Iaveh no nanao ny lanitra;

27 fiandrianana amam-pamirapiratana no eo anatrehan'ny tavany, ary hery aman-kafaliana no eo amin'ny fonenany.

28 Omeo an'ny Tompo, ry fianakaviam-pirenena, omeo an'ny Tompo ny voninahitra sy ny fahefana;

29 omeo an'ny Tompo ny voninahitra ho an'ny anarany. Mitondra fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an'ny Tompo amin'ny fanamiana masina.

30 Mangovìta eo anatrehany, ry mponina amin'ny tany rehetra, ary izao tontolo izao, voaorina, tsy mba hivembena.

31 Aoka hifaly ny lanitra, ary aoka hiravo ny tany! Aoka holazaina eram-pirenena ny hoe: Mpanjaka Iaveh!

32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina, mbamin'izay rehetra ao aminy! Aoka hisomebiseby ny saha, mbamin'izay rehetra ao aminy!

33 Ary aoka hanandra-peo fifaliana ny hazo an'ala, eo anatrehan'ny Tompo fa avy hitsara ny tany izy.

34 Midera an'ny Tompo fa tsara izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.

35 Lazao hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay! angony izahay ary tsoahy avy eo amin'ny firenena, mba hankalazanay ny anaranao masina sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana anao.

36 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr'Israely, Hatramin'ny mandrakizay, ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: Amena! sy hoe: Midera an'ny Tompo!

37 Dia navelan'i Davida teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo Asafa mbamin'ireo rahalahiny, mba hanao tsy tapaka ny fanompoana eo anoloan'ny fiara, araka ny anjara raharahany isan'andro.

38 Toy izany koa Obededoma mbamin'ireo rahalahiny valo amby enimpolo, Obededoma zanak'Iditona ary Hosa, ho mpiandry varavarana. 39 Toy izany koa Sadaoka mpisorona, mbamin'ireo mpisorona rahalahiny, teo anoloan'ny Fonenan'ny Tompo teo amin'ny fitoerana avo tao Gabaona, 40 mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin'ny Tompo, eo anoloan'ny otely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo izay nandidiany an'Israely. 41 Teo akaikin'ireo Hemàna sy Iditona mbamin'ny sisan'ireo voafidy sy voatonona anarana, hidera an'ny Tompo, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony. 42 Niaraka tamin'ireo, dia niaraka tamin'i Hemàna sy Iditona, dia nisy anjomara aman-kipantsona ho an'ireo tsy maintsy mampaneno azy, mbamin'ny zava-maneno hampiarahina amin'ny hiran'Andriamanitra. Ny zanak'Iditona niadidy ny varavarana. 43 Samy nody tany an-tranony avy ny vahoaka rehetra, ary Davida koa nody hitso-drano ny ankohonany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0484