Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-17

1 Rahefa niorina tao an-tranony Davida dia hoy Davida tamin'i Natàna mpaminany: Izaho ity mitoetra an-trano sedera; nefa ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ao anaty lay!

2 Ary hoy Natàna namaly an'i Davida: Ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra. 3 Ny alin'izay ihany, dia tonga tamin'i Natàna ny tenin'Andriamanitra nanao hoe:

4 Mandehana lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no tenin'ny Tompo: Tsy hianao no hanao trano hitoerako. 5 Fa tsy mbola nitoetra an-trano aho, hatramin'ny andro nampiakarako an'Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako. 6 Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin'Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraim-bava aho tamin'ny anankiray amin'ireo mpitsara an'Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana hianareo no tsy manao trano sedera ho ahy? 7 Koa ankehitriny lazao amin'ny mpanompoko, amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika: Tany an-tanimbilona teo aorian'ny ondry, no nangalako anao mba ho andriana amin'Israely vahoakako; 8 nomba anao tamin'izay rehetra nalehanao aho, nandringana ny fahavalonao rehetra teo anoloanao aho, ary nataoko malaza toy ny anaran'ireo lehibe eto ambonin'ny tany ny anaranao. 9 Nanokan-toerana ho an'Israely vahoakako aho, dia nampiorina azy eo; ka efa monina eo aminy izy ary tsy hisy hanabataba azy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy toy ny taloha intsony, 10 dia toy ny tamin'ny andro nananganako mpitsara tamin'Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha aho, fa hananganan'ny Tompo trano hianao. 11 Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin'ny razanao hianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin'ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany. 12 Izy no hanao trano ho ahy, ary izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay.

13 Ho toy ny ray ho azy aho, ary ho toy ny zanaka ho ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin'ilay nanjaka talohanao. 14 Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin'ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany. 15 Dia niteny tamin'i Davida Natàna araka izany teny rehetra izany sy io fahitana rehetra io.

16 Ka tonga Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan'ny Tompo, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin'izao aho? 17 Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa hianao ny amin'ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin'ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! 18 Koa inona indray ho ho azon'i Davida lazaina aminao, ny amin'ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao. 19 Iaveh ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo. 20 Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy hianao, araka izay rehetra ren'ny sofinay. 21 Aiza eto ambonin'ny tany izay firenena hafa, manahaka an'Israely vahoakanao, izay nahatongavan'Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao anarana amin'ny fahagagana aman'asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan'ny vahoakanao, izay navotanao tamin'i Ejipta. 22 Fa nataonao ho vahoakanao mandrakizay Israely vahoakanao, ka hianao Iaveh no tonga Andriamaniny. 23 Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny amin'ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao. 24 Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny anaranao; ka aoka holazain'ny olona hoe: Iaveh'ny tafika, Andriamanitr'Israely, dia Andriamanitra ho an'Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian'i Davida mpanomponao. 25 Fa tenanao, ry Andriamanitra ô, no efa nanambara tamin'ny mpanomponao fa hanorin-trano ho azy, ka izany no nahasahian'ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao. 26 Koa ankehitriny, ry Iaveh, hianao no Andriamanitra, ary nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin'ny mpanomponao hianao. 27 Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian'ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia ho voatso-drano mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0859