Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-18

1 Tatý aorian'izany, nandresy ny Filistina Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan'ny Filistina Geta mbamin'ny tanàna momba azy.

2 Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an'i Davida ny Moabita.

3 Resin'i Davida koa Adarezera mpanjakan'i Sobà eny akaikin'i Hamata, tamin'izy teny an-dàlana nandeha hampiorina ny fanjakany amin'ny ony Eofrata.

4 Kalesy arivo, mpitaingin-tsoavaly fito arivo, miaramila an-tongotra roa alina, no nosamborin'i Davida taminy, notraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy, fa ny soavaly amin'ny kalesy zato ihany no navelany. 5 Tonga namonjy an'i Adarezera mpanjakan'i Sobà ny Siriana avy any Damasa, fa noresen'i Davida ny roa arivo sy roa alin-dahy tamin'ny Siriana.

6 Nametrahan'i Davida miaramila mponina Sirian'i Damasa, ka dia tonga mpanompo nanatitra hetra ho an'i Davida ny Siriana. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena tamin'izay rehetra nalehany. 7 Nalain'i Davida ny ampinga volamena teny amin'ny mpanompon'i Adarezera, ka nentiny nankany Jerosalema. 8 Varahina be dia be koa no nalain'i Davida tao Tebata sy Kona tanànan'i Adarezera, ary izany no nanaovan'i Salomona ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina. 9 Nony ren'i Taohò, mpanjakan'i Hamata, fa hoe: resin'i Davida avokoa ny miaramilan'i Adarezera, mpanjakan'i Sobà,

10 dia naniraka an'i Adorama zanany, hankany amin'i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin'i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka Taohò sy Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy. 11 Natokan'i Davida mpanjaka ho an'ny Tompo izany, mbamin'ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin'ny firenena rehetra, dia Edoma, Moaba, ny taranak'i Amona, ny Filistina, ary Amaleka. 12 Resin'i Abisaia zanak'i Sarvia tao amin'ny lohasahan-tsira ny Edomita valo arivo sy iray alina,

13 ary nametrahany miaramila mponina tao Edoma, ka dia tonga mpanompon'i Davida avokoa Edoma rehetra. Nomen'ny Tompo an'i Davida ny fandresena tany amin'izay rehetra nalehany. 14 Nanjaka tamin'Israely rehetra Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.

15 Joaba zanak'i Sarvià no nifehy ny miaramila; Josafata zanak'i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana; 16 Sadaoka zanak'i Akitoba, sy Abimeleka zanak'i Abiatara, no mpisorona, Sosà no mpanoratra; 17 Banaiasa zanak'i Joiadà, no lehiben'ny Kerethiana sy ny Feletiana; ary ireo zanak'i Davida no voalohan-daharana eo anilan'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523