Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-19

1 Tatý aorian'izany, maty Naasa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

2 Ka hoy Davida: Hampiseho fankasitrahana amin'i Hanòna, zanak'i Naasa aho, fa nampiseho fankasitrahana tamiko rainy. Dia nandefa iraka hanony azy noho ny amin-drainy izy. Nony tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona, ireto mpanompon'i Davida hanony alahelo azy, 3 dia hoy ireo mpifehy ny taranak'i Amona tamin'i Hanòna: Mba ataonao ho fanajana an-drainao va no nanirahan'i Davida hanony alahelo anao? Tsy ny hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nahatongavan'ireo mpanompony ireo atý aminao? 4 Izay Hanòna dia nisambotra ireo mpanompon'i Davida, ka ny somony noharatany; ny akanjony nofolonana hatreo am-balahana, vao nalefany hody izy. 5 Fa nisy nandeha nilaza ny nanjo an'ireo lehilahy ireo tamin'i Davida, ka naniraka olona hitsena an'ireo izy, fa nangaihay loatra ireo lehilahy ireo, ary izao no nasain'ny mpanjaka holazaina tamin'izy ireo: Mitoera any Jerikao hianareo, mandra-panirin'ny somotrareo, vao modia. 6 Fantatry ny taranak'i Amona, fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia nandefa talenta volafotsy arivo Hanona sy ny taranak'i Amona hanakaramany kalesy amam-pitaingin-tsoavaly tany amin'ny Siriana, any Mesopotamia, sy tany amin'ny Siriana any Maakà sy any Sobà.

7 Kalesy roa arivo amby telo alina, mbamin'ny mpanjakan'i Maakà sy ny vahoakany no nokaramainy, ka tonga nitoby tao akaikin'i Medabà izy ireo. Ny taranak'i Amona niala tany an-tanànany avy, dia nivory sy nandroso hiady. 8 Nony ren'i Davida izany, nalefany hamely an'ireo Joaba mbamin'ny tafika rehetra, lehilahy mahery. 9 Dia nivoaka ny taranak'i Amona, ka nilahatra hiady teo am-bavahadin'ny tanàna; iretsy mpanjaka tonga kosa nitokana teny an-tsaha. 10 Nony hitan'i Joaba fa samy nisy vavahady teo anoloany sy teo ivohony, dia antokony iray tamin'izay voafantina tamin'Israely no nofidiny sy nalahany hifanatrika amin'ny Siriana,

11 ary nomeny hoentin'i Abisaia rahalahiny kosa ny vahoaka sisa, ka nalahany hifanatrika tamin'ny taranak'i Amona. 12 Hoy izy: Raha mahery noho izaho ny Siriana, dia handeha hamonjy ahy hianao, fa raha mahery noho hianao ny taranak'i Amona, dia hovonjeko hianao. 13 Mahereza, aoka hiady amin-kerim-po isika, ho an'ny firenentsika sy ho an'ireo tanànan'Andriamanitsika, ary aoka Iaveh hanao izay heveriny ho tsara eo imasony. 14 Dia nandroso niady tamin'ny Siriana Joaba sy ny vahoaka niaraka taminy ka nandositra teo anoloany ireny. 15 Nony nahita ny Siriana nandositra ny taranak'i Amona, dia mba nandositra teo anoloan'i Abisaia rahalahin'i Joaba koa izy, ka niditra tany an-tanàna indray. Dia niverina tany Jerosalema Joaba. 16 Rahefa hitan'ny Siriana fa resy teo anatrehan'Israely izy, dia naniraka olona haka ny Siriana tany an-dafin'ny ony izy; ary Sofaka komandin'ny tafik'i Adarezera no nitarika azy.

17 Vao nandre izany vaovao izany Davida dia namory an'Israely rehetra ka nita an'i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin'ny Siriana Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan'Israely ny Siriana. 18 Ka matin'i Davida ny soavaly tamin'ny kalesy fito arivo ary ny miaramila an-tongotra efatra alina, tamin'ny Siriana; matiny mbamin'i Sofàka, komandin'ny tafika. 19 Nony hitan'ireo tompomenakelin'i Adarezera fa resy eo anatrehan'Israely izy, dia nanao fanekem-pihavanana tamin'i Davida izy ireo, ka tonga mpanompony. Ary tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony ny Siriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0937