Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-20

1 Tamin'ny fitsingerenan'ny taona, nony mby tamin'ny fotoana fiaingan'ny mpanjaka handeha hiady, dia nitarika tafika tsy anerany Joaba, ka nandrava ny tanin'ny taranak'i Amona, sy tonga nanao fahirano an'i Rabà; fa Davida kosa nijanona tao Jerosalema. Noresen'i Joaba Rabà, sady noravany.

2 Dia nesorin'i Davida ny satrok'andriana teny an-dohan'ny mpanjakany, ary talenta iray no lanjan'ny volamena hita tao aminy, sady nisy vato soa anankiray koa, natao teny an-dohan'i Davida. 3 Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin'ny tsofa amam-dapìka vy sy famaky. Sady nataon'i Davida toy izany avokoa ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema Davida mbamin'ny vahoakany rehetra. 4 Tatý aorian'izany nisy ady tamin'ny Filistina tao Gazera. Tamin'izay no nahafatesan'i Sabokaì Hosatita, an'i Safaì isan-taranak'i Rafà, ka voaetry ny Filistina.

5 Dia nisy ady tamin'ny Filistina koa, izay nahafatesan'i Elkanàna zanak'i Jaira, an'i Lakmì rahalahin'i Goliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny vodi-tenon'ny mpanenona ny zarany.

6 Ary nisy ady tany Geta. Ka tao no nisy lehilahy avo be anankiray, enin-drantsana isan-tànana aman-tongotra, efatra amby roapolo no totaliny, ka taranak'i Rafà koa izy.

7 Naniratsira an'Israely izy, ka matin'i Jonatàna, zanak'i Samaà, rahalahin'i Davida. 8 Tarana-dRafà tao Geta ireo lehilahy ireo, ary matin'ny tànan'i Davida sy ny tànan'ny mpanompony izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1428