Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-21

1 Ary nitsangan-kamely an'Israely Satàna ka namoky an'i Davida hanisa an'Israely.

2 Dia hoy Davida tamin'i Joaba sy ny mpifehy vahoaka: Mandehana, isao Israely hatrany Bersabea ka hatrany Dana, dia manaova filazana amiko, mba hahalalako ny isany. 3 Fa hoy ny navalin'i Joaba: Hotongavin'ny Tompo in-jato toy izao anie ny hamaroan'ny vahoakany! Ary moa tsy mpanompon'ny tompoko avokoa va izy ireo, ry mpanjaka tompoko? Ka nahoana no dia itadiavan'ny tompoko an'izany? Nahoana no dia hitarika fahotana ho amin'Israely? 4 Fa ny tenin'ny mpanjaka nanohitra an'i Joaba no nahery; ka dia niainga Joaba nitety an'Israely rehetra, ary niverina tao Jerosalema. 5 Natolotr'i Joaba an'i Davida ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy iray hetsy sy iray tapitrisa ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'Israely rehetra, ary fito alina sy efatra hetsy ny lehilahy mahatan-tsabatra teo amin'i Jodà. 6 Fa Levì sy Benjamina tao amin'izy ireo, tsy mba nanaovany fanisana, satria nolavin'ny sain'i Joaba ny didin'ny mpanjaka. 7 Tsy sitrak'Andriamanitra izany raharaha izany, ka dia nokapohiny Israely.

8 Dia hoy Davida tamin'Andriamanitra: Efa nanao fahotana lehibe aho tamin'izao nataoko izao, koa ankehitriny mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa tena nanao toy ny adala tokoa aho. 9 Niteny tamin'i Gada, mpahitan'i Davida, Iaveh, nanao hoe:

10 Mandehana milaza amin'i Davida hoe: Izao no lazain'ny Tompo: Zavatra telo no ataoko eo anoloanao, ka ny iray no fidio dia hataoko aminao. 11 Dia nankany amin'i Davida Gada ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'ny Tompo: 12 Mifidiana hianao: telo taona mosarena, sa telo volana hanosehan'ny fahavalonao anao, sa telo andro hitoeran'ny sabatry ny Tompo sy ny pesta amin'ny tany, ka hahavita fandringanana eran'ny tanin'Israely ny anjelin'ny Tompo? Hevero amin'izao izay valy homeko an'izay naniraka ahy. 13 Ary hoy Davida tamin'i Gada: Latsaka am-panahiana mafy aho. Indrisy! aoka re ho azon'ny tànan'ny Tompo aho, fa be famindram-po indrindra izy, fa tsy ho azon'ny tànan'olombelona aho! 14 Ka dia nandefa pesta hamely an'Israely Iaveh, ka nahafatesana fito alina ny olona amin'Israely.

15 Ary naniraka anjely anankiray Andriamanitra hankany Jerosalema handrava azy; kanjo nony nandrava teo io, nijery Iaveh, ka nanenenany izany loza izany, dia hoy izy tamin'ilay anjely nandrava: Aoka izay! Avonkony amin'izay ny tànanao. Teo akaikin'ny famoloan'i Ornàna Jeboseana ilay anjelin'ny Tompo tamin'izay. 16 Nony natopin'i Davida ny masony, dia hitany ilay anjelin'ny Tompo teo anelanelan'ny tany sy ny lanitra, nitan-tsabatra vaotsoaka natondrony nanandrify an'i Jerosalema. Niankohoka Davida sy ny loholona, sady nitafy lasàka izy ireo. 17 Ary hoy Davida tamin'Andriamanitra: Moa tsy izaho va no nandidy hanisa ny vahoaka? Izaho no nanota sy nanao izany ratsy izany, fa ireo kosa, ireo ondry ireo, mba naninona? Ry Iaveh, Andriamanitra ô, izaho sy ny fianakavian'ikaky no aoka hasian'ny tànanao, fa aza dia ny vahoakanao no aringana! 18 Dia nasain'ilay anjelin'ny Tompo nilazan'i Gada Davida hiakatra hanangana otely ho an'ny Tompo, ao am-pamoloan'i Ornàna Jeboseana.

19 Ka niakatra araka ny teny nolazain'i Gada tamin'ny anaran'ny Tompo Davida. 20 Niherika Ornàna ka nahita ilay anjely dia niery izy sy ireo zanany efa-dahy; nively vary tamin'izay Ornàna. 21 Nony tonga teo akaikin'i Ornàna Davida, nijery Ornana ka nahita an'i Davida, dia niala teo am-pamoloana izy, ary niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Davida. 22 Dia hoy Davida tamin'i Ornàna: Afoizo ho ahy ny tokotany misy ity famoloana ity, fa hanorenako otely ho an'ny Tompo; afoizo ho ahy amin'izay tokom-bidiny marina haloa vola, hialan'ny aretina mandringana ny vahoaka. 23 Ary hoy Ornàna tamin'i Davida: Ento ho anao, ary aoka ny mpanjaka tompoko hanao izay heveriny ho tsara: Indreto ny omby hatao sorona dorana, ny rambaramba hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra, ka omeko avokoa izany. 24 Fa hoy Davida mpanjaka tamin'i Ornàna: Tsia, fa tiako hovidina vola araka izay tena vidiny marina, fa tsy haka ny anao ho an'ny Tompo aho, na hanatitra sorona dorana azoko maina. 25 Koa nomen'i Davida volamena lanjan'enin-jato sikla Ornàna ho vidin'ny tokotany. 26 Dia nanangana otely teo Davida, ho an'ny Tompo, ary nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana. Izy niantso an'ny Tompo, ary Iaveh namaly azy tamin'ny afo avy any an-danitra latsaka teo amin'ny otely nisy ny sorona dorana. 27 Dia niteny tamin'ilay anjely Iaveh, ka nampidirin'io tamin'ny tranony ny sabany. 28 Tamin'izany andro izany, nony hitan'i Davida fa nihaino azy Iaveh tao amin'ny famoloan'i Ornàna Jeboseana, dia nanatitra sorona tao izy.

29 Ilay tabernaklan'ny Tompo nataon'i Moizy tany an'efitra sy ny otelin'ny sorona dorana, dia teo amin'ny fitoerana avo tany Gabaona fahizay. 30 Tsy tohan'i Davida anefa ny nankeo anoloan'izany otely izany, hanaja an'Andriamanitra, fa raiki-tahotra izy, noho ny sabatr'ilay anjelin'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372