Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-22

1 Ary hoy Davida: Eto no ho tranon'ny Tompo Andriamanitra, eto no ho otely fanaovan'Israely sorona dorana.

2 Dia nasain'i Davida novorina ny vahiny teo amin'ny tanin'Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tanon'Andriamanitra.

3 Novononin'i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an'ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony, 4 hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran'ny Sidoniana sy ny Tiriana hazo sedera sesehena, Davida. 5 Hoy Davida: Salomona, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an'ny Tompo dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin'ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy. Dia nahavonona be tokoa Davida talohan'ny nahafatesany. 6 Ary Davida niantso an'i Salomona zanany, ka nandidy azy hanao trano ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely.

7 Izao no nolazain'i Davida tamin'i Salomona: Anaka, zava-nokendreko ny hanao trano ho an'ny anaran'ny Tompo Andriamanitra. 8 Saingy tonga tamiko ny tenin'ny Tompo, nanao hoe: Nandatsaka rà be hianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano ho an'ny anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin'ny tany teo imasoko. 9 Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan'ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salomona no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana Israely amin'ny androny. 10 Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ho toy ny zanaka ho ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin'Israely ny seza fiandrianan'ny fanjakany. 11 Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie Iaveh, mba hiadana hianao, ary hanao ny tranon'ny Tompo Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao. 12 Ho sitrak'Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rahefa hanome fahefana anao amin'Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn'ny Tompo Andriamanitrao. 13 Hoambinina hianao amin'izay, raha manampo tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian'ny Tompo an'i Moizy ho an'Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po. 14 Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an'ny tranon'ny Tompo: talenta volamena iray hetsy, talenta volafotsy iray tapitrisa, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao. 15 Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin'izao karazan'asa rehetra izao. 16 Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie Iaveh. 17 Nandidy ny lehibe rehetra amin'Israely koa Davida hanampy an'i Salomona zanany, ka hoy izy:

18 Tsy momba anareo va Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin'ny manodidina rehetra va hianareo? Fa ny mponina amin'ny tany efa natolony teo an-tànako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan'ny Tompo, sy teo anoloan'ny vahoakany. 19 Koa ankehitriny araiketo amin'ny fitadiavana an'ny Tompo Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an'ny Tompo Andriamanitra, mba hitondra hankatý ny fiaran'ny faneken'ny Tompo mbamin'ny fanaka masin'Andriamanitra, ho ao amin'ny trano izay hatao ho an'ny anaran'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1138