Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-23

1 Nony efa tratra antitra sy feno andro Davida, dia Salomona zanany no natsangana ho mpanjaka tamin'Israely.

2 Novoriny avokoa ny lehibe tamin'Israely mbamin'ny mpisorona sy ny Levita,

3 dia nisaina ny Levita hatramin'ny telopolo taona no miakatra, ka valo arivo sy telo alina no isan'ny vatan-dehilahy tsirairay avy. 4 Ary hoy Davida: Aoka ny efatra arivo sy roa alina amin'izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon'ny Tompo, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara, 5 ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'ny Tompo amin'ny zava-maneno nataoko hankalazana azy. 6 Nozarain'i Davida ho antokony araka ny zanak'i Levì izy ireo dia: Gerona, Kaata, Merarì.

7 Ny Gersonita, dia Leedàna, sy Semeia.

8 Zanakalahin'i Leedàna: Jahiela filohany, Zetama sy Joela, telo izy. 9 Zanakalahin'i Semeia: Salomita, Hoziela ary Aràna, telo izy. Ireo no loham-pianakaviana, avy amin'i Leedàna. 10 Zanakalahin'i Semeia: Leheta, Zizà, Jaosa ary Barià, izy efatra ireo no zanakalahin'i Semeia. 11 Leheta no lohany, Zizà no faharoa, Jaosa sy Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany. 12 Zanakalahin'i Kaata: Amrama, Isaara, Hebrona, ary Oziela, efatra izy.

13 Zanakalahin'i Amrama: Aarona sy Moizy. Ary Aarona natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin'ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan'ny Tompo, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin'ny anarany mandrakizay. 14 Ny amin'i Moizy, mpanompon'Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin'ny fokon'i Levì ihany ny zanany. 15 Zanakalahin'i Moizy: Gersoma sy Eleazara. 16 Zanakalahin'i Gersoma: Soboela filohany. 17 Ny zanakalahin'i Eliezera, dia Rohobià, filohany. Tsy nanan-janakalahy hafa Eliezera, nefa maro dia maro ny zanakalahin-dRohobià. 18 Zanakalahin'Isaara: Salomita filohany. 19 Zanakalahin'i Hebrona: Jeriao filohany, Amariasa faharoa, Jahaziela fahatelo, ary Jekmaama fahefatra. 20 Zanakalahin'i Oziela: Mikà filohany, Jesià faharoa. 21 Zanakalahin'i Merarì: Moholì sy Mosì.

22 Zanakalahin'i Moholì: Eleazara sy Kisa. Maty tsy nitera-dahy Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain'ny zanak'i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo. 23 Zanakalahin'i Mosì: Moholì, Edera ary Jerimota, telo lahy izy. 24 Ireo no zanakalahin'i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan'olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon'ny Tompo hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra. 25 Fa hoy Davida: Iaveh Andriamanitr'Israely efa nanome fitsaharana ny vahoakany, ka honina mandrakizay eto Jerosalema. 26 Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin'ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony. 27 Koa araka ny didy farany avy amin'i Davida no nanisana ny taranak'i Levì, hatramin'ny roapolo taona no ho miakatra. 28 Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin'ny taranak'i Aarona, amin'ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo, ny amin'ny momba ny kianja aman'efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo; 29 ny amin'ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin'ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamatra rehetra. 30 Anjarany ny tonga miseho isa-marain-tsy hariva hankalaza sy hidera an'ny Tompo, 31 sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin'ny Tompo, amin'ny andro sabata na amin'ny voalohan'ny volana, na amin'ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan'ny Tompo. 32 Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak'i Aarona, rahalahiny, amin'ny momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0994