Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-24

1 Ny amin'ny taranak'i Aarona, dia izao no antokony; zanakalahin'i Aarona: Nadaba, Abiò, Eleazara, ary Itamara.

2 Nadaba sy Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary Eleazara sy Itamara nanao ny raharahan'ny fisoronana. 3 Davida, Sadaoka, taranak'i Eleazara, sy Akimeleka, taranak'Itamara, dia nizarazara ny taranak'i Aarona ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.

4 Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak'Itamara, ny taranak'i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana enina ambin'ny folo ny tamin'ny taranak'i Eleazara, ary loham-pianakaviana valo ny tamin'ny taranak'Itamara. 5 Samy natao tamin'ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin'ny taranak'i Eleazara na ny tamin'ny taranak'Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin'ny momba an'Andriamanitra. 6 Semeiasa zanak'i Natanaela mpanoratra, anankiray tamin'ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan'i Sadaoka mpisorona, sy Akimeleka zanak'i Abiatara, ary teo anatrehan'ny loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny Levita; amin'ny filokana, maka fianakaviana iray avy amin'i Eleazara, dia iray avy amin'Itamara. 7 Azon'i Joiariba ny loka voalohany, an'i Jedeia ny faharoa,

8 an'i Harima ny fahatelo, an'i Seorima ny fahefatra, 9 an'i Melkià ny fahadimy, an'i Maimàna ny fahenina, 10 an'i Akosa ny fahafito, an'i Abià ny fahavalo, 11 an'i Jesoaà ny fahasivy, an'i Sekenià ny fahafolo, 12 an'i Elasiba ny faharaika ambin'ny folo, an'i Jakima ny faharoa ambin'ny folo, 13 an'i Hopfà ny fahatelo ambin'ny folo, an'Isbaaba ny fahefatra ambin'ny folo, 14 an'i Belgà ny fahadimy ambin'ny folo, an'i Emmera ny fahenina ambin'ny folo, 15 an'i Hezira ny fahafito ambin'ny folo, an'i Afresa ny fahavalo ambin'ny folo, 16 an'i Feteià ny fahasivy ambin'ny folo, an'i Hezekiela ny faharoapolo, 17 an'i Jakina ny faharaika amby roapolo, an'i Gamola ny faharoa amby roapolo, 18 an'i Dalajao ny fahatelo amby roapolo, an'i Maziao ny fahefatra amby roapolo. 19 Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon'ny Tompo, araka ny fandaharana nomena azy, tamin'ny alàlan'i Aarona, rainy, araka ny didy nomen'ny Tompo Andriamanitr'Israely azy.

20 Izao kosa ny amin'ny filohan'ny Levita sisa: tamin'ny taranak'i Amrama, Sobaela; tamin'ny taranak'i Sobaela, Jehedeià;

21 tamin'ny taranak'i Rohobià, Jesiasa filohany; 22 tamin'ny Isaarita, Salemota, tamin'ny taranak'i Salemota, Jahata. 23 Zanakalahin'i Hebrona: Jeriao no voalohany, Amariasa faharoa, Jahaziela fahatelo, Jekmaàna fahefatra. 24 Zanakalahin'i Oziela: Mikà; tamin'ny taranak'i Mika, Samira. 25 Rahalahin'i Mikà: Jesià; zanak'i Jesià: Zakariasa. 26 Zanakalahin'i Merarì: Moholì sy Mosì; zanakalahin'i Merarì tamin'i Oziao zanany: Saama, Zakora ary Hebrì. 27 Avy amin'i Moholì, Eleazara izay tsy nitera-dahy; 28 avy amin'i Kisa, ny zanakalahin'i Kisa: Jerameela. 29 Zanakalahin'i Mosì: Moholì, Edera ary Jerimota. 30 Ireo taranak'i Levì, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak'i Aarona rahalahiny, dia nanao ny filokana teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Sadaoka, sy Akimeleka, mbamin'ireo loham-pianakavian'ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin'ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1803