Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-25

1 Natokan'i Davida sy ireo komandin'ny tafika, hanaovana ny fanompoana, ny sasany amin'ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Iditona izay naminany tamin'ny harpa aman-dokanga ary kipantsona. Izao no isan'ireo izay manana anjara raharaha amin'ny fanompoana.

2 Amin'ny zanakalahin'i Asafa: Zakora, Josefa, Nataniì ary Asarelì, ireo no zanakalahin'i Asafa, tarik'i Asafa, naminany araka ny didy avy amin'ny mpanjaka. 3 Amin'Iditona, ny zanakalahin'Iditona: Godohiasa, Sorì, Jereiasa, Hasabiasa, Matatiasa, ary Semeia, enina izy araka ny didin'Iditona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hankalaza an'ny Tompo. 4 Amin'i Hemàna, ny zanakalahin'i Hemàna: Boksiao, Mataniao, Oziela, Soboela, Jerimota, Hanaiasa, HAnanì, Eliata, Gedeltì, Rommemtiezera, Jesbakasà, Melotì, Otira, ary Mahaziota. 5 Izy rehetra ireo dia zanakalahin'i Hemàna, izay mpahitan'ny mpanjaka, amin'ny tenin'Andriamanitra, hankalaza ny fahefany. Zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo no nomen'Andriamanitra an'i Hemàna. 6 Ireo Levita rehetra ireo dia samy notarihin'ny rainy avy hanao ny hira ao an-tranon'ny Tompo, ka nanana kipantsona sy lokanga ary harpa, hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra, eo ambany fifehezan'i Davida sy Asafa ary Iditona sy Hemàna.

7 Ny isan'izy ireo, mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra nihira ho an'ny Tompo, izay rehetra efa nahay tsara, dia valo amby valopolo sy roan-jato. 8 Filokàna no nataon'izy ireo na kely na lehibe na ny mpampianatra na ny mpianatra, ny amin'ny anjara raharahany. 9 Ny loka voalohany, amin'ireo an'i Asafa, dia nahazo an'i Josefa; ny faharoa, an'i Godoliasa; izy mbamin'ireo rahalahiny sy ny zanany lahy: roa ambin'ny folo; 10 ny fahatelo, an'i Zakora, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 11 ny fahefatra an'Isarì, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 12 ny fahadimy an'i Nathanià, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 13 ny fahenina an'i Boksiao, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 14 ny fahafito an'Israelà mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 15 ny fahavalo an'i Jesaiasa mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 16 ny fahasivy an'i Mataniasa, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 17 ny fahafolo an'i Semeiasa mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 18 ny faharaika ambin'ny folo, an'i Azareela, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 19 ny faharoa ambin'ny folo, an'i Hasabiasa, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 20 ny fahatelo ambin'ny folo, an'i Soboela, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 21 ny fahefatra ambin'ny folo, an'i Matatiasa, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 22 ny fahadimy ambin'ny folo, an'i Jerimota mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 23 ny fahenina ambin'ny folo, an'i Hananiasa mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 24 ny fahafito ambin'ny folo, an'i Jesbakasà mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 25 ny fahavalo ambin'ny folo, an'i Hananì mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 26 ny fahasivy ambin'ny folo, an'i Melotì mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 27 ny faharoapolo, an'i Eliatà, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 28 ny faharaika amby roapolo, an'i Otira, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 29 ny faharoa amby roapolo, an'i Gedeltì, mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 30 ny fahatelo amby roapolo, an'i Mahaziota mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo; 31 ny fahefatra amby roapolo, an'i Romentiezera mbamin'ireo zanany aman-drahalahiny: roa ambin'ny folo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1257