Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-26

1 Izao avy no antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koreita: Meselemia, zanak'i K-re, avy amin'ny zanak'i Asafa.

2 Zanakalahin'i Meselemià: Zakariasa lahimatoa; Jadihela faharoa; Zabadiasa fahatelo; Jatanaela fahefatra; 3 Elama fahadimy; Johanàna fahenina; Elioenaì fahafito. 4 Zanakalahin'i Obededoma: Semeiasa lahimatoa, Jozabada faharoa, Joahà fahatelo, Sakara fahefatra, Natanaela fahadimy, 5 Ammiela fahenina, Isakara fahafito, Folatì fahavalo: fa nohasoavin'Andriamanitra Obededoma. 6 Semeiasa zanany lahy niteraka zazalahy, izay samy tonga filohany tamin'ny fianakavian-drainy, fa lehilahy nahery fo izy ireo.

7 Zanakalahin'i Semeiasa: Otnì, Rafaela, Obeda, Elzabada, mbamin'ireo rahalahiny, samy lehilahy mahery fo, ary Eliò sy Samakiasa. 8 Ireo rehetra ireo, dia samy zanak'i Obededoma; roa amby enimpolo izy mbamin'ny zanany aman-drahalahiny no avy amin'i Obededoma, samy lehilahy matanjaka sy be herim-po amin'ny fanompoana. 9 Nanan-janaka aman-drahalahy Meselemià, izay samy lehilahy mahery fo; valo ambin'ny folo izy. 10 Amin'ny taranak'i Merarì, Hosà nanan-janaka, dia Semrì filohany; tsy mba lahimatoa izy nefa natsangan-drainy ho lohany, 11 Helkiasa faharoa, Tabeliasa fahatelo, Zakariasa fahefatra. Telo ambin'ny folo izy no tontalin'ny zanaka aman-drahalahin'i Hosa. 12 Ireo antokon'ny mpiandry varavarana ireo, ny filohan'izany lehilahy izany, dia samy nanan-draharaha tamin'ny fanompoana tao an-tranon'ny Tompo, teo anilan'ireo rahalahiny. 13 Nanao filokàna ny amin'ny isam-baravarana avy izy, na ny kely na ny lehibe, araka ny fianakaviany avy.

14 Ka azon'i Selemiasa ny loka ny amin'ny lafiny atsinanana. Dia natao ny loka ho an'i Zakariasa zanany izay mpanolo-tsaina hendry, ka ny amin'ny lafiny avaratra no azony. 15 Ny amin'ny lafiny atsimo, azon'i Obededoma, ary ny trano fitehirizana, an'ny zanany. 16 Ny amin'ny lafiny andrefana, akaikin'ny vavahady Sikaleketa amin'ny làlana miakatra, azon'i Sefima sy Hosà: nifanandrify ny antokom-piambina. 17 Nisy Levita enina any atsinanana, efatra isan'andro any avaratra, efatra isan'andro any atsimo, efatra tamin'ny trano fitehirizana, tsiroaroa; 18 amin'ny lafin'ny trano fanampiny, any andrefana: efatra tamin'ny làlana, roa tamin'ny trano fanampiny. 19 Toy izany no nanokotokoana ny mpiandry varavarana, amin'ny taranaky ny Koreita sy taranak'i Merarì. 20 Ny Levita rahalahin'ireo, no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra, sy ny rakitr'ireo zavatra voahasina.

21 Amin'ny taranak'i Ledàna, izany hoe: ny taranaky ny Gersonita avy amin'i Ledàna loham-pianakavian'i Ledàna Gersonita, dia Jehiela; 22 ny zanak'i Jehiela, Zatàna sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'ny Tompo. 23 Tamin'ny Amramita, ny Isaarita, ny Hebronita ary ny Ozihelita, 24 dia Soboela zanak'i Gersona, zanak'i Moizy, no toniany ambony indrindra amin'ny rakitra. 25 Tamin'ireo rahalahiny avy amin'i Eliezera, izay nanan-janaka an'i Rahabià, izay nanan-janaka an'i Isaiasa, izay nanan-janaka an'i Jorama, izay nanan-janaka an'i Zekrì, izay nanan-janaka an'i Selemita, 26 dia Selemita mbamin'ireo rahalahiny no tonian'ny rakitr'ireo zavatra masina rehetra, izay natokan'i Davida mpanjaka sy ny loham-pianakaviana mbamin'ny tompon'arivo sy tompon-jato, ary ny filohan'ny tafika. 27 Ny babo azo tamin'ny ady no nanokanan'izy ireo izany hoenti-miahy ny tranon'ny Tompo. 28 Ny zavatra rehetra natokan'i Samoela mpahita, Saola zanak'i Kisa, Abnera zanak'i Nera, Joaba zanak'i Sarvià sy ny olon-kafa na iza na iza dia teo am-pelatànan'i Selemita mbamin'ireo rahalahiny avokoa. 29 Tamin'ny Isaarita, dia Koneniasa mbamin'ireo zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'Israely, ho mpanoratra sy mpitsara.

30 Tamin'ny Hebronita, dia Hasabiasa mbamin'ireo rahalahiny samy lehilahy mahery fo, fiton-jato amby arivo no isany, no nifehy an'Israely teny an-dafin'i Jordany any andrefana, amin'ny raharaha rehetra momba an'ny Tompo sy ny fanompoana ny mpanjaka. 31 Tamin'ny Hebronita dia Jerià no lohany. Ny amin'ny Hebronita araka ny tetiarana isam-pianakaviana dia nisy fikarohana natao tamin'ny taona fahefapolo nanjakan'i Davida ka nahitana lehilahy mahery teo amin'izy ireo tao Jazera any Galaada, 32 mbamin'ny rahalahiny, lehilahy mahery fiton-jato amby arivo, samy loham-pianakaviana. Ary notendren'i Davida mpanjaka izy ireo hifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon'i Manase, amin'ny raharahan'Andriamanitra rehetra sy ny raharahan'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137