Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-27

1 Ny zanak'Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tompon'arivo, tompon-jato, manamboninahitra amin'ny fanompoana ny mpanjaka, amin'ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin'ny taona, efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony iray, - dia ireto:

2 Jeroboama zanak'i Zabdiela, no lohan'ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany; efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony.

3 Isan-taranak'i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin'ny volana voalohany. 4 Dodià Ahohita no lohan'ny antokony amin'ny volana faharoa; Makelota andriandahy no isan'ny lehibe tamin'ny antokony; ary efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony.

5 Banaiasa zanak'i Joiadà filohany no lohan'ny antokony fahatelo, ho amin'ny volana fahatelo; ary efatra arivo amby roa alina no isan'ny antokony. 6 Io no ilay Banaiasa lehilahy mahery amin'ny Telo-polo lahy, sady mpitarika ny Telo-polo lahy. Amizabada zanany dia mpifehy tamin'ny antokony. 7 Asaela rahalahin'i Joaba no fahefatra ho amin'ny volana fahefatra, ary Zabadiasa zanany no manarakaraka azy, efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 8 Samaota filohany, Izrahita no fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 9 Hirà, zanak'i Aksesa avy any Tekoe no fahenina ho amin'ny volana fahenina; ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 10 Helesa, Falonita, isan-taranak'i Efraima no fahafito, ho amin'ny volana fahafito, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 11 Sobokaì Hosatita, amin'ny fianakavian'ny Zarahita no fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 12 Abiezera avy any Anatota, isan-taranak'i Benjamina no fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 13 Maraì avy any Nefotà amin'ny fianakavian'ny Zarahita no fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo; ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 14 Banaiasa avy any Faratona, isan-taranak'i Efraima no faharaika ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharaika ambin'ny folo; ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 15 Holdaì avy any Netofà, amin'ny fianakavian'i Otoniela, no faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, ary efatra arivo sy roa alina no isan'ny antokony. 16 Izao kosa no lohan'ny fokon'Israely: amin'ny Robenita, Eliazera, zanak'i Zekrì; amin'ny Semeonita, Safatiasa zanak'i Maakà;

17 amin'ny Levita: Hasabiasa zanak'i Kamoela; amin'ny fianakavian'i Aarona, Sadaoka; 18 amin'i Jodà, Eliò rahalahin'i Davida; amin'Isakara, Amrì zanak'i Mikaela; 19 amin'ny Zabolona, Jesmaiasa zanak'i Abdiasa; amin'ny Neftalì, Jerimota zanak'i Osriela; 20 amin'ny taranak'i Efraima: Osea zanak'i Ozaziò; amin'ny antsasa-pokon'i Manase, Joela zanak'i Fadaiasa; 21 amin'ny antsasa-pokon'i Manase any Galaada, Jadao zanak'i Zakariasa; amin'i Benjamina, Jasiela zanak'i Abnera; 22 amin'ny Dana, Ezriela zanak'i Jerohama. Ireo no lohan'ny fokon'Israely. 23 Tsy nisain'i Davida ny hatramin'ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain'ny Tompo fa hampitombo an'Israely ho tahaka ny kintana amin'ny lanitra izy.

24 Efa nanomboka ny fanisana Joaba zanak'i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon'ny hatezeran'ny Tompo noho izany Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin'ny rejistrin'ny tantaran'i Davida mpanjaka. 25 Asmota, zanak'i Adiela, no tonian'ny rakitry ny mpanjaka; Jonatàna, zanak'i Oziasa, no amin'ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin'ny zanabohitra na amin'ny tilikambo;

26 Ezrì, zanak'i Keloba, no amin'ny mpiasa any an-tsaha, miasa ny tany; 27 Semeia avy any Ramà no amin'ny tanim-boaloboka; Zabdiasa avy any Safama no amin'ny divay voavory any amin'ny tanim-boaloboka; 28 Balanana avy any Gedera no amin'ny oliva sy ny aviavy any amin'ny Sefelà; Joasa no amin'ny filoilo voavory; 29 Setraì avy any Sarona no amin'ny omby andrasana any Sarona; Safatà zanak'i Adlì no amin'ny omby eny an-dohasaha; 30 Obila, Ismaelita, no amin'ny rameva; Jadiasa avy any Meronata no amin'ny ampondravavy; 31 Jaziza Agareniana no amin'ny ondry. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka. 32 Jonatàna, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; Jahiela, zanak'i Hakamonì, no teo amin'ny zanaky ny mpanjaka.

33 Akitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary Kosaì, Arkeana, dia sakaizan'ny mpanjaka; 34 manarakaraka an'i Akitofela dia Joiadà, zanak'i Banaiasa, sy Abiatara. Joaba no komandin'ny tafiky ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0972