Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-28

1 Novorin'i Davida tany Jerosalema avokoa ny lehibe amin'Israely, dia ny lohan'ny foko, ny lehiben'ny antokony mpanompo ny mpanjaka, ny tompon'arivo, ny tompon-jato, ny tonian'ny fananana sy ny biby fiompin'ny mpanjaka, sy ny zanany mbamin'ny mpitandrina sy ny olo-mahery, ny miaramila mahery rehetra.

2 Dia nitsangana Davida mpanjaka ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny Faneken'ny Tompo sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona ny ho enti-manao azy. 3 Fa hoy Andriamanitra tamiko: Tsy hanao trano ho an'ny anarako hianao, fa lehilahy mpiady ary nandatsa-dra. 4 Nofidin'ny Tompo Andriamanitr'Israely aho tamin'ny ankohonan'ny raiko rehetra, ho mpanjaka amin'Israely mandrakizay. Satria Jodà no nofidiny ho mpanjaka, ary tamin'ny taranak'i Jodà, ny ankohonan'ny raiko no nofidiny; tamin'ny ankohonan'ny raiko, izaho no nankasitrahany hampanjakainy amin'Israely. 5 Tamin'ny zanako rehetra kosa, - fa nomen'ny Tompo zanaka maro aho, - Salomona zanako no nofidiny, mba hampipetraka azy amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakan'ny Tompo amin'Israely. 6 Hoy izy tamiko: Salomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary ho toy ny ray ho azy aho. 7 Hohamafisiko ho mandrakizay ny fanjakany, raha mifikitra amin'ny fanarahana ny didiko amam-pitsipiko, tahaka ny amin'izao anio izao, izy. 8 Ary ankehitriny, eto imason'Israely rehetra, fiangonan'ny Tompo, sy eto anatrehan'Andriamanitrareo rehetra, mba hanananareo ity tany soa ity, sy hamindranareo azy ho lovan'ny fara mandimby anareo mandrakizay. 9 Ary hianao, ry Salomona, zanako, mahalala an'Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin'ny fo mazava sy amin'ny fanahy mazoto, fa Iaveh dia mandinika ny fo rehetra sy maninteraka ny hevitry ny saina rehetra. Raha mitady azy hianao, dia hety ho hitanao izy; fa raha mandao azy kosa hianao, dia hariany mandrakizay. 10 Diniho ary izao, fa nofidin'ny Tompo hianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza àry miasa. 11 Dia nomen'i Davida an'i Salomona zanany ny mariky ny alo-baravarana, ny trano, ny efitry ny rakitra, ny efitra ambony, ny efitra anatiny miray amin'io, ny efitry ny fanoneram-pahotana,

12 mbamin'ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan'ny tranon'ny Tompo sy ny efitra rehetra amin'ny manodidina, ho an'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina, 13 ho an'ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita, ho an'ny raharaha rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo. 14 Ny mariky ny fanaka volamena, mbamin'ny lanjan'ny volamena hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; ny mariky ny fanaka volafotsy rehetra, mbamin'ny lanjany hanaovana ny fanaka rehetra isan-tokom-panompoana; 15 ny lanjan'ny fanaovan-jiro volamena mbamin'ny lalampy volamena momba azy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro sy isan-dalampy momba azy; ary ny lanjan'ny fanaovan-jiro volafotsy, araka ny lanjany isam-panaovan-jiro; 16 ny lanjan'ny volamena hanaovana ny latabatry ny mofo alahatra, isan-databatra; ny volafotsy hanaovana ny latabatra volafotsy; 17 ny mariky ny fitrebika, ny jogy, ny kopy volamena madio, ny siny volamena, mbamin'ny lanjany avy isan-tsiny; ny siny volafotsy, mbamin'ny lanjany avy isan-tsiny; 18 ny modelin'ny otelin'ny zava-manitra hatao amin'ny volamena voadio, araka ny lanjany; ny modelin'ny kalesin'Andriamanitra, ny kerobima volamena mivelatra elatra manarona ny fiaran'ny faneken'ny Tompo. 19 Izany rehetra izany, hoy Davida, ny asa rehetra amin'izany marika izany, dia nampahafantarin'ny Tompo ahy, tamin'ny soratra nosoratan'ny tànany, tonga atý amiko. 20 Ary hoy Davida tamin'i Salomona zanany: Matanjaha! Mahereza! Miasà. Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa Iaveh Andriamanitra, Andriamanitra homba anao; tsy handao anao izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan'ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon'ny Tompo.

21 Indreo homba anao ny antokon'ny mpisorona sy ny Levita ho amin'ny fanompoana rehetra ao an-tranon'Andriamanitra; homba anao, hahavitana izao karazan'asa rehetra izao, ireo olo-mazoto sy mahay, hanaovana ny taozavatra rehetra; ary koa ny lehibe sy ny vahoaka vonon-kanatanteraka ny didinao rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1001