Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-3

1 Ireto no zanakalahin'i Davida naterany tany Hebrona: Amona lahimatoa, zanak'i Akinoama, avy any Jezraela, Daniela zanak'i Abigaila avy any Karmela, lahiaivo,

2 Absaloma zanak'i Maakà, zanakavavin'i Tolmaia mpanjakan'i Gesora, fahatelo; Adoniasa zanak'i Hagita, fahefatra; 3 Safatiasa zanak'i Abitala, fahadimy; Jetraama zanak'i Eglà vadiny, fahenina. 4 Izy enin-dahy ireo no naterany tany Hebrona, izay nanjakany fito taona sy enim-bolana, vao nanjaka tany Jerosalema telo amby telopolo taona indray izy. 5 Ary ireto no naterany tany Jerosalema: Simmaà, Sobaba, Natàna, Salomona, efa-dahy, tamin'i Betsoe zanakavavin'i Ammiela; 6 Jebaara, Elisamà, Elifalela, 7 Noge, Nefega, Jafià, 8 Elisamà, Eliadà, Elifeleta: sivy. 9 Ireo no zanakalahin'i Davida rehetra, fa ny zana-baditsindranony, tsy nisaina. Ary anabavin'ireo dia Tamara.

10 Zanakalahin'i Salomona: Roboama; Abiasa zanany, Asà zanany, Josafata zanany,

11 Jorama zanany, Okoziasa zanany, Joasa zanany, 12 Amaziasa zanany, Azariasa zanany, Joatama zanany, 13 Akaza zanany, Ezekiasa zanany, Manase zanany, 14 Amona zanany, Josiasa zanany. 15 Zanakalahin'i Josiasa: Johanàna no lahimatoa, Joakima no lahiaivo, Sedesiasa no fahatelo, Seloma no fahefatra.

16 Zanakalahin'i Joakima: Jekoniasa zanany, Sedesiasa zanany. 17 Zanakalahin'i Jekoniasa: Asira, Salatiela zanany, 18 Melkirama, Fadaia, Senezera, Jesemiasa, Samà, ary Nadabiasa. 19 Zanakalahin'i Fadaiasa: Zorobabela sy Semeia. Zanakalahin'i Zorobabela: Mosolama, Hananiasa ary Salomita, anabavin'ireo; 20 ary Hasabàna, Ohala, Barakiasa, Hasadiasa, Josabeseda, dimy izy. 21 Zanakalahin'i Hananiasa: Faltiasa sy Jeseiasa, ny zana-dRefaià, ny zanak'i Arnàna, ny zanak'i Obdià, ny zanak'i Sekeniasa. 22 Zanakalahin'i Sekeniasa: Semeia. Zanakalahin'i Semeia: Hatosa, Jegaala, Barià, Naarià, Safata, enina izy. 23 Zanakalahin'i Naarià: Elioenaia, Ezekiasa ary Ezrikama, telo izy. 24 Zanakalahin'i Elioenaia: Odoià, Eliasoba, Feleià, Akoba, Johanàna, Dalaià, ary Ananì: fito izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0387