Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-4

1 Zanakalahin'i Jodà: Faresa, Hesrona, Karmì, Hora sy Sobala.

2 Raià zanakalahin'i Sobala, niteraka an'i Jahata; Jahata niteraka an'i Akamaia sy Lahada. Ireo no fokon'ny Sareana. 3 Izao avy no avy amin'ny rain'i Etama: Jezrahela, Jesema, sy Jedebosa, ary Asalelfoni no anaran'ny anabavin'ireo.

4 Fanoela no rain'i Gedora, ary Ezera no rain'i Hosa. Ireo no zanakalahin'i Hora, lahimatoan'i Efratà, rain'i Betleema. 5 Nanambady roa Asora, rain'i Tekoe, dia Halaà sy Naarà,

6 ka ny naterak'i Naarà taminy dia Oozama, Hefera, Temanì ary Ahastarì: ireo no zanakalahin'i Naarà. 7 Ny zanakalahin'i Halaà dia Sereta, Isaara sy Etnàna. 8 Kaosa niteraka an'i Anoba sy Sobobà, ary ny fokon'i Aharehela, zanakalahin'i Aroma.

9 Nomena haja noho ny rahalahiny Jabesa ary nataon-dreniny hoe Jabesa ny anarany, fa hoy izy: nijaly aho no niteraka azy. 10 Niantso an'Andriamanitr'Israely Jabesa nanao hoe: Raha mitahy ahy hianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tànanao, sy arovanao amin'ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana... Ary nomen'Andriamanitra azy izay nangatahiny. 11 Keloba rahalahin'i Soà niteraka an'i Mahira, rain'i Estona;

12 Estona niteraka ny fokon-dRafah, Fesè sy Tehinnà, rain'ny tanàna Naasa. Ireo no olona ao Rekah. 13 Zanakalahin'i Seneza: Othoniela, Saraià. Zanakalahin'i Othoniela: Hatata sy Maonatì.

14 Maonatì niteraka an'i Ofrà; Saraià niteraka an'i Joaba, rain'ny ao an-dohasahan'i Karaskima, fa mpiasa izy ireo. 15 Zanakalahin'i Kaleba, zanak'i Jefone: Hira, Elà, ary Mahama. Zanakalahin'i Elà: Seneza. 16 Zanakalahin'i Jaleleela: Zifa, Zifà, Tirià ary Asraela.

17 Zanakalahin'i Esrà: Jetera, Mereda, Efera, ary Jalòna. Ilay Ejipsiana novinadin'i Mereda, niteraka an'i Mariama sy Sammaì ary Jesbà, rain'i Estamao.

18 Ilay vehivavy jody vadiny anankiray, niteraka an'i Jareda, rain'i Gedora, sy Hebera, rain'i Sokao, ary Ikotiela, rain'i Zanoe. Ireo no zanakalahin'i Betià, zanakavavin'i Faraona, nalain'i Mereda ho vady. 19 Zanakalahin'ny vadin'i Odaià, anabavin'i Nahama: ny rain'i Keilà, ilay Garmiana, sy ny rain'i Estamao, ilay Makatiana.

20 Zanakalahin'i Simona: Amnona, Rinnà, Ben-Hanàna ary Tilòna. Zanakalahin'i Jesì: Zoheta sy Ben-Zoheta.

21 Zanakalahin'i Selà, zanak'i Jodà: Hera rain'i Lekà; Laadà rain'i Maresà, sy ny fianakaviana amin'ny fokon'ny mpanao biso sy amin'ny fokon'i Askebea, 22 sy Jokima ary ny olona ao Kozebà sy Joasa sy Sarafa izay samy nanapaka tany Moaba, sy Jaskobi-Lekema. Zavatra efa ela izany. 23 Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gederà, nonina teo anilan'ny mpanjaka izy, dia niasa ho azy. 24 Zanakalahin'i Simeona: Namoela, Jamina, Jariba, Zarà, Saola, Seloma zanany,

25 Mapsama zanany, Masmà zanany. 26 Zanakalahin'i Masmà: Hamoela zanany, Zakora zanany, Semeì zanany. 27 Semeì nanan-janaka enina ambin'ny folo lahy sy enim-bavy; nanan-janaka lahy maro ny rahalahiny, ary tsy nitombo toy ny zanak'i Jodà ny fianakaviany rehetra. 28 Ny nonenan'izy ireo dia tao Bersabea, tao Moladì, tao Hasar-Soala, 29 tao Balì, tao Asoma, tao Tolada, 30 tao Batoela, tao Hormì, tao Sikelega, 31 tao Beta-Markabota, tao Hasar-Sosima, tao Beta-Beraì ary tao Saarima: ireo no tanànany aman-jana-bohiny, hatramin'ny andro nanjakan'i Davida. 32 Azy ireo koa Etama, Aena, Remmona, Tokena sy Asana, tanàna dimy, 33 mbamin'ny zanabohiny rehetra izay tao amin'ny manodidina an'ireo tanàna ireo, hatrany Baala. Ireo no fonenany, sy ny taratasy tetiaram-pirazanan'izy ireo. 34 Mosobaba, Jemleka, Josì, zanakalahin'i Amasiasa,

35 Joela, Jehò, zanak'i Josabiasa, zanak'i Saraiasa, zanak'i Asiela, 36 Elioenaì, Jakoba, Isohaià, Asaià, Adiela, Ismiela, Banaia, 37 Zizà, zanak'i Sefeì, zanak'i Alòna, zanak'i Idaià, zanak'i Semrì, zanak'i Samaià. 38 Ireo lehilahy voatonona amin'ny anarany ireo, dia samy filohany amin'ny fianakaviany avy; nitombo fatratra ny fokom-pianakaviany, 39 ka nankany amin'ny hadilalan'i Gadora izy, hatrany amin'ny ilany atsinanana amin'ny lohasaha, mba hitady tany fiandrasam-biby ho an'ny biby fiompiny. 40 Dia nahita tany fiandrasam-biby lonaka sy tsara izy, tany malalaka, mandry fahizay sy miadana; taranak'i Khama ny mponina tao fahataloha. 41 Tamin'ny andron'i Ezekiasa, mpanjakan'i Jodà, no nahatongavan'ireo olona voasoratra anarana ireo. Noravany ny lain'izy ireo mbamin'ny Maonita hitany tao, ka nony efa nataony anatema mandrak'androany, dia izy ireo no nisolo toerana azy, nonina teo, satria nisy ahitra ho an'ny biby fiompiny tao. 42 Nisy taranak'i Simeona koa, diman-jato lahy no isany, nankany amin'ny tendrombohitra Seira. Faltiasa, Naariasa, Rafaiasa, ary Oziela, zanak'i Jesì, no filohan'ireo.

43 nandresy ny Amalesita sisa afa-nandositra izy ireo dia niorom-ponenana teo mandrak'androany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0882