Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-5

1 Zanakalahin-dRobena lahimatoan'Israely. Fa izy no lahimatoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak'i Josefa zanak'Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin'ny tetiaram-pirazanana anefa Josefa.

2 Fa nahery tamin'ny rahalahiny Jodà ary izy no nihavian'ny filoha anankiray, nefa an'i Josefa ihany ny fizokiana. 3 Zanakalahin-dRobena lahimatoan'Israely: Enaoka, Falò, Esrona ary Karmì. 4 Zanakalahin'i Joela: Samià zanany; Goga zanany; Semeì zanany;

5 Mikà zanany; Reià zanany; Baala zanany; 6 Beerà zanany, izay nobaboin'i Tegatfalnasara mpanjakan'i Asiria; anisan'ny loham-pirenen'ny Robenita izy. 7 Rahalahin'i Beera, samy araka ny fianakaviany avy, araka ny nanoratana azy ao amin'ny tetiarana, araka ny taranany: Jehiela, ny filohany, sy Zakaria, 8 Balà zanak'i Azaza zanak'i Sammà zanak'i Joela; Balà dia nonina tany Aroera ka hatrany Nebao sy Beela-Meona, 9 ary ny nonenany tany atsinanana, dia hatrany akaikin'ny efitra, izay miantomboka any amin'ny ony Eofrata, fa betsaka ny andiam-biby fiompiny tany Galaada. 10 Tamin'ny andron'i Saola niady tamin'ny Agareana izy, ka naharesy an'ireny, dia nonina tao amin'ny lainy eran'ny ilany atsinanana rehetra amin'i Galaada. 11 Ny taranak'i Gada, dia nonina tandrifin'ireo, tao amin'ny tany Basàna hatrany Selkà, dia ireto:

12 Joela filohany, Safàna no manarakaraka, vao Janaì sy Safata tany Basàna. 13 Ny rahalahin'ireo araka ny fokom-pianakaviany avy dia Mikaela, Mosolama, Sebe, Joraì, Jakàna, Zie ary Hebera, fito izy. 14 Izy ireo dia zanakalahin'i Abihaila zanak'i Horì, zanak'i Jerà, zanak'i Galaada, zanak'i Mikaela, zanak'i Jesesì, zanak'i Jedao, zanak'i Boza. 15 Akì zanak'i Abdiela, zanak'i Gonì, no lohan'ny fokom-pianakaviany. 16 Nonina tany Galada tany Basàna izy ireo ary tany amin'ny tanàna momba azy sy amin'ny tanimbilon'i Saròna, hatrany an-tsisiny. Tamin'ny andron'i Joatama mpanjakan'i Jodà, sy ny andron'i Jeroboama, mpanjakan'Israely, 17 no efa nanoratana an'ireo zanak'i Gada rehetra tamin'ny tetiaram-pirazanana. 18 Tamin'ny tarana-dRobena sy ny Gadita ary antsasaky ny fokon'i Manase dia nisy lehilahy mahery, mahatana ampinga aman-tsabatra, mahalefa tsipìka, zatra an'ady, enimpolo sy fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina ny isany, samy vonon-kilatsaka ho mpiady.

19 Niady tamin'ny Agareana izy ireo, sy tamin'i Jetora, Nafisa, ary Nodaba. 20 Nisy nanampy azy hamely an'ireo ka voatolotra teo an-tànany ny Agareana mbamin'izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin'Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany azy. 21 Dia nobaboiny ny andiam-biby fiompin'ireny, rameva dimy alina, ondry dimy alina sy roa hetsy, ampondra roa arivo, olona iray hetsy. 22 Fa be maty ny olona, satria avy amin'Andriamanitra ny ady. Ary izy ireo no nonina nandimby an'ireny, mandra-pahatongan'ny fahababoana. 23 Ny taranaky ny antsasaky ny fokon'i Manase dia nonina tamin'ny tany hatrany Basana ka hatrany Baal-Hermona sy Sanira ary ny tendrombohitra Hermona; maro izy ireo.

24 Ireto no lohany amin'ny fianakaviany: Efera, Jesì, Ezriela, Jeremià, Odoià, ary Jediela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan'ny fokom-pianakaviany avy. 25 Nivadika tamin'ny Andriamanitry ny razany anefa izy ireo, fa nitolo-tena hanaraka ny andriamanitry ny vahoakan'ny tany izay naringan'Andriamanitra teo anoloany.

26 Ka namporisihin'ny Andriamanitr'Israely, ny fanahin'i Fola mpanjakan'i Asiria sy ny fanahin'i Telgatfalnasara, dia nentin'ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, nentiny nankany Hala sy Habora ary Arà mbamin'ny ony Gozana mandrak'androany. 27 Zanakalahin'i Levì: Gersona, Kaata, ary Merarì.

28 Zanakalahin'i Kaata: Amrama, Isaara, ary Oziela. 29 Zanak'i Amrama: Aarona, Moizy, ary Maria. Zanakalahin'i Aarona: Nadaba, Abiò, Eleazara ary Itamara. 30 Eleazara niteraka an'i Finea, Finea niteraka an'i Abisoe. 31 Abisoe niteraka an'i Boksì, Boksì niteraka an'i Ozì, 32 Ozi niteraka an'i Zaraiasa, Zaraiasa niteraka an'i Meraiota, 33 Meraiota niteraka an'i Amariasa, Amariasa niteraka an'i Akitoba, 34 Akitoba niteraka an'i Sadaoka, Sadaoka niteraka an'i Akimaasa, 35 Akimaasa niteraka an'i Azariasa, Azariasa niteraka an'i Johanàna, 36 Johanàna niteraka an'i Azariasa, izay nanao ny fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Salomona, tany Jerosalema. 37 Azariasa niteraka an'i Akitoba, 38 Akitoba niteraka an'i Sadaoka, Sadaoka niteraka an'i Seloma, 39 Seloma niteraka an'i Helkiasa, Helkiasa niteraka an'i Azariasa, 40 Azariasa niteraka an'i Saraiasa, Saraiasa niteraka an'i Josedeka. 41 Ary Josedeka dia lasa natao sesi-tany, nony nampanalain'ny Tompo, ho entin-ko babo tamin'ny alalan'i Nabokodonozoro Jodà sy Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0367