Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-7

1 Zanakalahin'Isakara: Tolà, Foà, Josoba ary Simerona: efatra izy.

2 Zanakalahin'i Tolà: Ozia, Rafaia, Jeriela, Jemaia, Jebsema, ary Samoela, samy lohan'ny fokom-pianakaviany izay avy amin'i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin'ny andron'i Davida, enin-jato sy roa arivo sy roa alina no isany. 3 Zanakalahin'i Ozia: Izrahia. Zanakalahin'Izrahia: Mikaela, Obadià, Johela, ary Jesià, filohany dimy izy rehetra. 4 Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fihaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy enina arivo sy telo alina ireny, fa maro vady aman-janaka izy. 5 Ny rahalahin'izy ireo araka ny fianakaviana ao amin'Isakara rehetra, lehilahy mahery, dia nisy fito arivo sy valo alina ny tontaliny, voasoratra amin'ny tetiaram-pirazanana. 6 Zanakalahin'i Benjamina: Belà, Bekora, ary Jadiela, telo izy.

7 Zanakalahin'i Belà: Esbona, Ozia, Oziela, Jerimota ary Oraia; dimy izy lohan'ny fokom-pianakaviana, lehilahy mahery, efa-jato sy roa arivo amby roa alina no isany, voasoratra amin'ny tetiarana. 8 Zanakalahin'i Bekora: Zamirà, Joasa, Eliezera, Elionaia, Amria, Jerimota, Abià, Anatota, ary Almata. Zanakalahin'i Bekora avokoa izy rehetra ireo, 9 voasoratra amin'ny tetiaram-pirazanana araka ny taranany avy, ho lohan'ny fokom-pianakaviny, lehilahy mahery, roan-jato sy roa alina no isany. 10 Zanakalahin'i Jadihela: Balàna. Zanakalahin'i Balàna: Jehosy, Benjamina, Aoda, Kanàna, Zetàna, Tarsisa, ary Abisahera: 11 Zanakalahin'i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan'ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, roan-jato amby fito arivo sy iray alina ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika. 12 Zanakalahin'i Hira: Sefama sy Hafamà. Zanakalahin'i Ahera: Hasima.

13 Zanakalahin'i Neftalì: Jasiela, Gonia, Jesera ary Seloma, zanakalahin'i Bala.

14 Zanakalahin'i Manase: Esriela. Ilay Siriana vaditsindranony, niteraka an'i Makira, rain'i Galaada.

15 Makira naka vady tamin'ny avy amin'i Hapfima sy Safàna: Maakà no anaran'ny anabaviny. Salfaada no zanany lahiaivo, ary nanan-janakavavy Salfaada. 16 Nitera-dahy Maakà, vadin'i Makira, ka nataony hoe Faresa no anarany ary Saresa no anaran'ny rahalahiny: Olama sy Resena no zanany lahy. 17 Zanakalahin'i Olama: Badàna. Ireo no zanakalahin'i Galaada, zanak'i Makira, zanak'i Manase. 18 Ary Hamoleketa anabaviny, niteraka an'Iskoda, Abiezera, ary Moholà. 19 Ny zanakalahin'i Semidà dia Ahina, Sekema, Lesia ary Aniama. 20 Zanakalahin'i Efraima: Sotalà, Bareda zanany, Tahata zanany, Eladà zanany, Tahata zanany,

21 Zobada zanany, Sotalà zanany, ary Ezera sy Eladà izay novonoin'ny lehilahy tao Geta, izay tera-tany, fa nidina hangalatra ny biby fiompiny. 22 Nisaonan'i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy. 23 Nandeha tamin'ny vadiny izy, dia nanan'anaka ravehivavy, ka nitera-dahy; dia nomeny anarana hoe Berià, satria tra-pahoriana izy ireo tao an-tranony. 24 Ny zanany vavy kosa dia Sarà, izay nanorina an'i Betorona ambany sy Betorona ambony ary Ozena-Sara. 25 Rafà zanany sy Resefa, Tale zanany, Taàna zanany; 26 Laadana zanany; Ammioda zanany, Elisamà zanany, 27 Nona zanany, Josoe zanany. 28 Ary ny taniny amam-ponenany, dia Betela mbamin'ny tanàna momba azy; any atsinanana, Noràna, any andrefana Gezera mbamin'ny tanàna momba azy, Sikema mbamin'ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin'ny tanàna momba azy. 29 Eo an-tànan'ny taranak'i Manase koa Betsàna sy ny tanàna momba azy, Magedao sy ny tanàna momba azy, Dora sy ny tanàna momba azy. Tamin'ireo tanàna ireo no nonenan'ny taranak'i Josefa, zanak'Israely. 30 Zanak'i Asera: Jemnà, Jesoaà, Jesoaì, Barià ary Sarà anabavin'ireo. 31 Zanakalahin'i Baria: Hebera sy Melkiela; izy no Barsaita. 32 Hebera niteraka an'i Jeflata, Somera, Hotama, ary Soaà anabavin'ireo. 33 Zanakalahin'i Jeflata: Foseka, Kamaala ary Asota: ireo no zanakalahin'i Jeflata. 34 Zanakalahin'i Somera: Ahia, Roagà, Habà ary Arama. 35 Zanakalahin'i Helema, rahalahiny: Sofà, Jemnà, Salesa ary Amala. 36 Zanakalahin'i Sofà: Soe, Harnafera, Soala, Berì, 37 Jamrà, Bosora, Hoda, Samnà, Salosà, Jetrama ary Berà. 38 Zanakalahin'i Jetera: Jefone, Fasfà ary Arà. 39 Zanakalahin'i Olà: Aera, Haniela, ary Resià. 40 Zanak'i Asera avokoa ireo, lohan'ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben'ny loham-pireneny, enina arivo sy roa alina no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0471