Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-8

1 Ny naterak'i Benjamina dia Belà lahimatoany, Asbela lahiaivo, Aharà fahatelo,

2 Nohaà fahefatra, ary Rafà fahadimy. 3 Ny zanakalahin'i Belà dia Adara, Gerà, Abioda, 4 Abisoe, Naamàna, Ahoe, 5 Gerà, Sefofàna ary Horama. 6 Izao no zanakalahin'i Ahoda: lohan'ny fianakaviana nonina tao Gabaà izy ireo, ary nafindrany tany Manahata:

7 Naamàna, Akià, ary Gerà ilay namindra azy sy niteraka an'i Ozà sy Ahioda. 8 Niteraka tao amin'ny tanin'i Moaba, Saharaima, taorian'ny nisaorany an'i Josima sy Barà, vadiny.

9 Hodesa vadiny no niterahany an'i Jobaba, Sebià, Mosà, Molkoma, Jehosa, Sekià ary Marmà. 10 Ireo no zanany lahy, loham-pianakaviana. 11 Ary Hosima no niterahany an'i Abitoba sy Elfaala. 12 Zanakalahin'i Elfaala: Hebera, Misaama ary Samada, izay nanorina an'i Onao sy Loda mbamin'ny tanàna momba azy. 13 Barià sy Samà, lohan'ny fianakaviana nonina tao Aialona no nampandositra ny mponina tao Geta.

14 Ahiao, Sesàka, Jerimota, 15 Zabadia, Aroda, Hedera, 16 Mikaela, Jesfà ary Johà no zanakalahin'i Berià. 17 Zabadia, Mosoliama, Hezesì, Hebera, 18 Jesamarì, Jezlia, ary Jobaba no zanak'i Elfaala. 19 Jasima, Zekria, Zabdia, 20 Elioenaia, Seletaia, Eliela, 21 Adaia, Baraia ary Semarata no zanak'i Semeia. 22 Jesfàna, Hebera, Eliela, 23 Abdona, Zekria, Hanàna, 24 Hananià, Elama, Anatotià, 25 Jefdaià ary Fanoela no zanak'i Sesàka. 26 Samsarì, Sohorià, Otolià, 27 Jersià, Elià ary Zekrià no zanak'i Jerohama. 28 Loham-pianakaviana ireo, samy loholona araka ny fihaviam-pianakaviany, ary nonina tao Jerosalema. 29 Tao Gabaona no nonina ny rain'i Gabaona, ary Maakà no anaran'ny vadiny.

30 Abdona no zanany lahimatoa, dia Soara, Kisa, Baala, Nadaba, 31 Gedora, Ahiao ary Zakera. 32 Makelota niteraka an'i Samaà. Nonina tao akaikin'ny rahalahiny koa ireo tao Jerosalema, niaraka tamin'ny rahalahiny. 33 Nera niteraka an'i Kisa, Kisa niteraka an'i Saola, Saola niteraka an'i Jonatàna, Melkiasoa, Abinadaba ary Esbaala. 34 Zanakalahin'i Jonatàna: Meribaala. Meribaala niteraka an'i Mikà. 35 Zanakalahin'i Mikà: Fitona, Meleka, Toraà sy Akaza. 36 Akaza niteraka an'i Joadà, Joadà niteraka an'i Alamata, Azmota ary Zamrì; Zamrì niteraka an'i Mosà, 37 Mosà niteraka an'i Banaà; Rafà zanany, Falsà zanany, Asela zanany. 38 Nanan-janaka enin-dahy Asela ka ireto avy no anarany: Ezrikama, Bokrao, Ismaela, Sarià, Obdià ary Hanàna: zanaka'i Asela avokoa ireo. 39 Zanakalahin'i Eseka rahalahiny: Olama lahimatoany, Jehosa faharoa, ary Elifaleta fahatelo. 40 Ny zanakalahin'i Olama dia lehilahy mahery sady mpandefa zana-tsipìka; ary nanan-janaka lahy aman-jafy maro izy ireo, dia dimampolo amby zato. Ireo rehetra ireo dia taranak'i Benjamina avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0852