Boky Voalohan'ny Tantara

Toko faha-9

1 Voasoratra amin'ny tetiaram-pirazanana avokoa izany Israely rehetra, ka indreto izy voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'Israely; ary nentin-ko babo tany Babylona Jodà, noho ny fahotany.

2 Ny mponina voalohany, nonina tamin'ny taniny, tamin'ny tanànany, dia ny Israelita, ny mpisorona, ny levita, ary ny Natineana. 3 Nisy nonina tao Jerosalema ny taranak'i Jodà, ny taranak'i Benjamina, ny taranak'i Efraima, sy Manase,

4 ny taranak'i Faresa, zanak'i Jodà: Oteì zanak'i Ammioda, zanak'i Amrì, zanak'i Omraì, zanak'i Bonnì. 5 Ny tamin'ny Silonita: Asaia, lahitao sy ny zanany lahy. 6 Ny tamin'ny taranak'i Zarà: Jehoela sy ny rahalahiny; sivy folo amby enin-jato izy. 7 Ny tamin'ny taranak'i Benjamina: Salao, zanak'i Mosolama, zanak'i Odoià, zanak'i Asàna; 8 Jobanià, zanak'i Jerohama; Elà, zanak'i Ozi, zanak'i Mokori; Mosolama, zanak'i Safatià, zanak'i Rahoela, zanak'i Jebanià, 9 ary ny rahalahin'izy ireo, araka ny taranany: dia enina amby dimampolo sy sivin-jato. Samy loham-pianakaviana, araka ny fokom-pianakaviany avy, ireo lehilahy rehetra ireo. 10 Ny tamin'ny mpisorona: Jedaià, Joiariba, Jakima,

11 Azariasa, zanak'i Helkiasa, zanak'i Mosalama, zanak'i Sadaoka, zanak'i Maraiota, zanak'i Akitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra; 12 Adaiasa, zanak'i Jerohama, zanak'i Fasora, zanak'i Melkiasa; Maasaì zanak'i Adiela, zanak'i Jezrà, zanak'i Mosolama, zanak'i Mosolamita, zanak'i Emmera; 13 ary ny rahalahin'izy ireo, izay lohan'ny fokom-pianakaviany avy, dia nisy lehilahy mahery enimpolo sy fiton-jato sy arivo mba hanatanteraka ny fanompoana ao amin'ny tranon'Andriamanitra. 14 Ny tamin'ny Levita: Semeià zanak'i Hasoba, zanak'i Ezrikama, zanak'i Hasebià, tamin'ny taranak'i Merarì;

15 Bakbakara, Heresa, Galala, Matanià, zanak'i Mikà, zanak'i Zekri, zanak'i Asafa; 16 Obdià, zanak'i Semeià, zanak'i Galala, zanak'Iditona; Barakià, zanak'i Asà, zanak'i Elkanà, izay nonina tao an-tanànan'ny Netofatiana. 17 Ary ny mpiandry varavarana: Seloma, Akoba, Telmona, Ahimàna, mbamin'ny rahalahin'ireo; Seloma no lehibe,

18 ary mbola ao am-bavahadin'ny mpanjaka, eo atsinanana izy mandrak'androany. Ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levì. 19 Seloma zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kore, mbamin'ny Koreita rahalahiny amin'ny fianakavian-drainy, no nanao ny raharahan'ny mpiandry ny varavaran'ny tabernakla; ny razan'izy ireo no efa niandry ny vavahadin'ny tobin'ny Tompo. 20 Finea zanak'i Eleazara, no mpanapaka azy ireo taloha, ary nomban'ny Tompo izy. 21 Zakaria, zanak'i Mosolamia, no mpiandry ny varavaran'ny trano lay fihaonana. 22 Roa ambin'ny folo sy roan-jato no isan'ireo olom-boafidy ho mpiandry varavarana ireo. Voasoratra amin'ny vohiny avy izy, ary Davida sy Samoela mpahita no nanendry azy hanao io raharaha io. 23 Izy ireo sy ny taranany no tao amin'ny varavaran'ny tranon'ny Tompo, ny tranon'ny tabernakla, mba hiandry azy. 24 Nitoetra teo amin'ny lafiny efatra ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana, ary avaratra sy atsimo. 25 Ny rahalahin'izy ireo, izay nonina tany amin'ny vohiny, dia tsy maintsy mankeo aminy indraindray, ka maharitra herinandro eo. 26 Fa izy efa-dahy lohan'ny mpiandry varavarana, izay Levita, dia teo amin'ny raharahany hatrany, sady mbola nitandrina ny efi-trano sy ny rakitra tao an-tranon'Andriamanitra. 27 Nitoetra teo amin'ny manodidina ny tranon'Andriamanitra izay nambenany izy, ka tsy maintsy tandremany ny hamohana azy isa-maraina. 28 Ny Levita sasany kosa, nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana, ka navoakany sy nampidiriny ireny no sady nisainy koa.

29 Ny sasany aminy, nitandrina ny fanaka, dia ny fanaka rehetra teo amin'ny fitoerana masina, mbamin'ny lafarina tsara indrindra, ny divay, ny diloilo, ny emboka, ary ny zava-manitra. 30 Nisy zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra tsara fofona. 31 Ny anankiray amin'ny Levita, dia Matatiasa lahimatoan'i Seloma, Koreita, no tonian'ny mofomamy nendasina tamin'ny lapoaly. 32 Ary ny rahalahiny sasany, amin'ny taranak'i Kaata, no niadidy ny fanamboarana ho amin'ny isan-tsabata, ny mofo alahatra. 33 Ireo no mpihira, lohan'ny fianakavian'ny Levita nitoetra tamin'ny efitrano, afaka tamin'ny raharaha hafa, satria tsy maintsy eo amin'ny raharahany andro aman'alina.

34 Ireo no lohan'ny fianakavian'ny Levita, filohany araka ny taranany, ary nonina tao Jerosalema. 35 Tao Gabaona no nonenan'i Jehiela, rain'i Gabaona, Maakà no anaran'ny vadiny.

36 Ary Abdona no zanany lahimatoa, dia Sora, Kisa, Baala, Nera, Nadaba, 37 Gedora, Ahiao, Zakaria, ary Makelota. 38 Makelota niteraka an'i Samaana. Nitoetra teo anilan'ny rahalahiny koa izy ireo tao Jerosalema niaraka tamin'ny rahalahiny. 39 Nera niteraka an'i Kisa; Kisa niteraka an'i Saola, Saola niteraka an'i Jonatàna, Melkisoì, Abinadaba, ary Esbaala. 40 Zanakalahin'i Jonatàna: Meribaala; Meribaala niteraka an'i Mikà, 41 Zanakalahin'i Mikà: Fitòna, Meleka, Taraà. 42 Akaza niteraka an'i Jarà; Jarà niteraka an'i Alamata, Azmota ary Zamrì; Zamrì niteraka an'i Mosà. 43 Mosà niteraka an'i Banaà; Rafaià zanany, Elasà zanany, Asela zanany. 44 Nanan-janaka enin-dahy Asela, ka ireto no anarany avy: Ezrikama, Bokrao, Ismaela, Sarià, Obdià, ary Hanàna. Ireo no zanakalahin'i Asela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0926