Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-2

1 Tenanareo no mahalala, ry rahalahy, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo;

2 fa nony avy nampahorina sy nalam-baraka tany Filipy izahay, araka ny fantatrareo rahateo, dia tonga nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tatý aminareo, tamim-pitokiana lehibe an'Andriamanitra sy tanatin'ny ady mangotraka. 3 Fa tsy mba avy amin'ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,

4 fa araka ny nankasitrahan'Andriamanitra ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy, tsy toy ny mila sitraka amin'olombelona, fa amin'Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay. 5 Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay, araka ny fantatrareo; na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona), 6 na nitady voninahitra tamin'olombelona, na taminareo izany, na tamin'ny hafa; 7 ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana, noho ny maha-Apostolin'ny Kristy anay, dia naleonay nanetry tena teo aminareo, mova tsy ny reny mitaiza ny zanany. 8 Fa noho ny fitiavanay anareo, dia tsy ny Evanjelin'Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo, fa ny ainay koa aza, satria efa tonga maminay loatra hianareo. 9 He, tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezana aina amam-pisasaranay, fa sady niasa andro aman'alina izahay no nitory ny Evanjelin'Andriamanitra tany aminareo, mba tsy hahavaky tratra olona na dia iray taminareo aza. 10 Hianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny teo imasonareo izay mino ny fitondran-tenanay;

11 hoatra ny fanaon-dray aman-janaka no nataonay taminareo tsirairay avy, araka ny hitanareo; 12 fa nananatra anareo izahay, nanala alahelo anareo, namepetra anareo mafy mba handehananareo mendrika an'Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin'ny fanjakany sy ny voninahiny. 13 Noho izany, dia tsy tapaka ny misaotra an'Andriamanitra koa izahay, satria tamin'ny nandraisanareo ny tenin'Andriamanitra notorinay, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo, araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo efa mino.

14 Fa hianareo, ry rahalahy, dia efa nanahaka ny Eglizin'Andriamanitra any Jodea, izay ao amin'ny Kristy Jesoa, satria sahala amin'izao nanjò anareo tamin'ny iray firenena aminareo izao koa no nanjò azy ireo tamin'ny Jody, 15 dia ny Jody izay namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany; nanenjika anay, tsy ankasitrahan'Andriamanitra, manohitra ny olona rehetra; 16 ary mandrara anay tsy hitory amin'ny jentily hahazoany famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan'ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran'Andriamanitra aminy. 17 Ary izahay, ry rahalahy, vao tafasaraka am-batana fa tsy am-po taminareo vetivety foana, dia naniry mafy hahita anareo indray,

18 ka indray maka na indroa aza dia efa nikasa ny hankaty aminareo mihitsy izahay, indrindra fa izaho Paoly, nefa nosakanan'i Satana. 19 Fa iza moa no fanantenanay, sy fifaliana aman-tsatro-boninahitray? Tsy hianareo va izany, eo anatrehan'i Jesoa Tompontsika amin'ny andro hahatongavany? 20 Eny, tsy iza fa hianareo no voninahitray sy fifalianay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0518