Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-3

1 Dia tsy naharitra intsony izahay, ka naleonay mitoetra irery tany Atena,

2 fa nalefanay Timote rahalahinay sy mpandraharahan'Andriamanitra amin'ny Evanjelin'ny Kristy, hankahery fo anareo sy hamporisika anareo haharitra amin'ny finoanareo, 3 sao misy mihontsina akory amin'izao fahoriana izao, nefa izao no anjarantsika, araka ny efa fantatrareo rahateo. 4 Fa fony mbola teo aminareo ihany izahay no efa nilaza taminareo rahateo fa tsy maintsy hampahorina, ary hitanareo izao fa tanteraka tokoa izany. 5 Hany ka tsy naharitra terý aho, fa naniraka mpampitsapa ny finoanareo, sao dia nasian'ny mpaka fanahy hianareo ka ho very foana ny fisasaranay. 6 Kanjo ankehitriny, nony tonga avy tatý aminareo Timote, dia nolazainy tsara tatý aminay avokoa ny amin'ny finoanareo, ny fitiavanareo, ny fahatsiarovanareo anay tsara mandrakariva, ny fanirianareo hahita anay, toy ny anirianay hahita anareo,

7 ka noho izany rehetra izany, ry rahalahy, dia afaka alahelo ny aminareo izahay, teo amin'ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo: 8 velona terý izahay izao, mahita anareo maharitra tsara ao amin'ny Tompo. 9 Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an'Andriamanitra, noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitra! 10 Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman'alina hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin'ny finoanareo! 11 Enga anie ka ny tenan'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompontsika no hanitsy làlana anay ho atý aminareo;

12 ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavanareo, sy amin'ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka anay aminareo izao! 13 Hankahery ny fonareo anie izy, ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika, ho amin'ny fahatongavan'i Jesoa-Kristy Tompontsika mbamin'ny olo-masiny rehetra. Amena.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0674