Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Tesalonisiana

Toko faha-4

1 Farany, ry rahalahy, izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin'i Jesoa Tompo: efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankasitrahan'Andriamanitra, sady efa arahinareo koa, ka mandrosoa mandrakariva amin'ny fandehanana araka izany.

2 Efa fantatrareo, araka ny didy nomenay anareo avy amin'i Jesoa Tompo, 3 fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitra-pon'Andriamanitra: dia ny hifadianareo ny fijangajangana, 4 sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo amin'ny fahamasinana sy fananan-kaja, 5 fa tsy amin'ny filan-dratsin'ny nofo araka ny fanaon'ny jentily izay tsy mahalala an'Andriamanitra, 6 ary ny tsy hisian'olona manao an-keriny na an-kafetsena amin'ny rahalahiny amin'izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo; 7 satria tsy ho amin'ny fahalotoana, fa ho amin'ny fahamasinana no niantsoan'Andriamanitra antsika. 8 Koa izay manamavo izany didy izany, dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an'Andriamanitra, izay nanome ny Fanahiny Masina ho ao aminareo. 9 Ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo, satria tenanareo no nampianarin'Andriamanitra hifankatia,

10 sady efa manao izany rahateo amin'ny rahalahy rehetra eran'i Masedonia hianareo. Miangavy aminareo anefa izahay, ry rahalahy, mba handroso kokoa mandrakariva amin'izany. 11 Mahaiza miaina amim-piadanana, sy manatanteraka tsara ny raharahanareo, ary miasa tànana araka ny nandidianay anareo, 12 mba handehananareo amim-pahamendrehana amin'izay eo ivelany, sy tsy hiankinanareo amin'olona foana. 13 Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin'izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa hianareo.

14 Fa araka ny inoantsika an'i Jesoa ho efa maty sy nitsangana tamin'ny maty no hitondran'Andriamanitra an'izay nody mandry hiaraka aminy koa, amin'ny alalan'i Jesoa. 15 Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin'ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin'ny fihavian'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory; 16 fa hisy baiko homena, sy feon'arkanjely, ary feon-trompetr'Andriamanitra, dia hidina avy any an-danitra ny tenan'izy Tompo, ka izay maty tao amin'ny Kristy no hitsangana aloha; 17 rahefa izany, hakarina hiaraka amin'izy ireo eny amin'ny rahona koa isika velona sisa tavela, hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka, dia ho any amin'ny Tompo mandrakizay isika. 18 Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0484