Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko voalohany

1 Paoly, Apostolin'i Jesoa-Kristy, araka ny didin'Andriamanitra Mpamonjy antsika, sy Jesoa-Kristy fanantenantsika,

2 mamangy an'i Timote, tena zanako amin'ny finoana: fahasoavana, famindram-po amam-piadanana, avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesoa-Kristy Tompontsika! 3 Mampahatsiahy anao aho, fa fony aho ndeha ho any Masedonia, dia nangataka anao hitoetra ao Efezy, mba handidy ny sasany tsy hanao fampianarana tsy izy,

4 na hikatsaka anganongano aman-tetiarana tsy hita lany, izay vao maika mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny asan'Andriamanitra miorina amin'ny finoana. 5 Ny antony kendrena amin'izany didy izany, dia ny fitiavana avy amin'ny fo madio sy kosiansy tsara ary finoana tsy misy famahony; 6 fa efa nivilian'ny sasany izany, ka nilaozany nankany amin'ny bedibedy foana; 7 mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory. 8 Fantatsika fa tsara ny Lalàna, raha ampiasain'ny olona araka ny antony marina, 9 sy heveriny tsara fa tsy natao ho an'ny olo-marina izy, fa ho an'ny mpandika sy ny mpanohitra, ny tsy manaja an'Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy mpivavaka sy ny tsy mpino, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, 10 ny mpijangajanga, ny mpiray samy lehilahy, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, mbamin'ny hafa rehetra manao zavatra mifanohitra amin'ny fampianarana marina, 11 atoron'ny Evanjelin'ny voninahitr'Andriamanitra sambatra, izay napetraka tamiko. 12 Misaotra ny Kristy Jesoa Tompontsika izay nankahery ahy aho, fa nekeny ho mahatoky, ka nametrahany fandraharahana,

13 dia izaho izay mpiteny ratsy fahiny, sady mpanenjika sy mpanao an-keriny; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tsy fahalalana no nanaovako izany, noho izaho tsy mbola nanam-pinoana; 14 fa nony nomban'ny finoana amim-pitiavana izay ao amin'ny Kristy Jesoa, dia nihoa-pampana ny fahasoavan'ny Tompontsika. 15 Eny, teny marina tokoa, sy mendrika hitokiana indrindra izao: Tonga tety an-tany ny Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota, ary izaho no lohany indrindra aminy; 16 fa izany indrindra no nahazoako famindram-po, dia ny mba hanamparan'ny Kristy Jesoa ny haben'ny famindram-pony amiko aloha, mba ho fianarana ho an'izay hino azy ho amin'ny fiainana mandrakizay. 17 Ho an'ny Mpanjakan'ny taona rehetra anie, dia ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana, ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. 18 Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany no hiadianao ny ady tsara,

19 sy amim-pitanana ny finoana sy ny konsiansy tsara izay efa narian'ny sasany, ka rendrika ny amin'ny finoana terý izy ireny; 20 anisan'ireny Himeneo sy Aleksandra, izay natolotro an'i Satana, mba hofaizina tsy hiteny ratsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0866