Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-3

1 Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan'ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy.

2 Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha monja, mahonon-tena, hendry, maotona sy mendrimendrika, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, 3 tsy lian-divay, tsy mikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy tia vola, 4 mahay mitondra ny ankohonany, sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary; 5 fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitondra ny Eglizin'Andriamanitra? 6 Tsy zazavao amin'ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin'ny fanamelohana nanjò ny demony. 7 Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin'ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baraka sy voan'ny fandriky ny demony. 8 Toy izany koa ny Diakra, dia aoka ho olona maotona, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy tia harena foana,

9 mitana ny misterin'ny finoana amim-pieritreretana madio; 10 ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny. 11 Toy izany koa ny vadiny, dia aoka ho olona manaja tena, tsy mpifosa, mahonon-tena, mahatoky amin'ny zavatra rehetra. 12 Aoka ny Diakra ho olona tsy nanambady afa-tsy indray mandeha, sy mitondra tsara ny zanany mbamin'ny ankohonany. 13 Fa izay mahatontosa tsara ny raharahany, dia mahazo laharana mihaja ho an'ny tenany, sy fahatokiana lehibe amin'ny finoana izay ao amin'ny Kristy Jesoa. 14 Manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankaty aminao faingana aza,

15 satria amin'izay, raha tàhiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, dia ny Eglizin'Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan'ny marina. 16 Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy, niseho tamin'ny anjely, notorina tany amin'ny jentily, ninoana tamin'izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1258