Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-4

1 Milaza marina ny Fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin'ny finoana ny sasany, ka hanaraka fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demony,

2 izay haelin'ny mpihatsaravelatsihy sy mpandainga, dia olona voamariky ny vy mahamay ny fieritreretany; 3 handrara tsy hanambady izy, ary hampifady ny hanina nataon'Andriamanitra horaisin'ny mpino sy ny mpahalala ny marina amim-pisaorana. 4 Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon'Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rahefa raisina amim-pisaorana koa, 5 satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana. 6 Izany no ampianaro ny rahalahy, dia ho mpandraharaha tsaran'ny Kristy Jesoa hianao, mivelona amin'ny teny finoana mbamin'ny fampianarana tsara efa narahinao.

7 Fa ireny anganongano foana fanaom-bavy antitra ireny dia lavo; ary mampiasà ny tenanao amin'ny fivavahana. 8 Satria ny asa ara-batana dia mahasoa kely foana, fa ny fivavahana no mahasoa amin'ny zavatra rehetra, izy no manana ny teny fampanantenana, na amin'ny fiainana ankehitriny, na amin'ny fiainana ho avy. 9 Eny, teny marina tokoa izany, ka tokony hekena amim-pitokiana, 10 fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an'Andriamanitra velona, Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino. 11 Izany àry no zavatra handidianao sy hampianarinao.

12 Aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao, fa aoka ho fakan-tahaka ho an'ny mpino hianao amin'ny teny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, ary amin'ny fahadiovana. 13 Mandra-pihaviko, milozòha amin'ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana. 14 Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana maro mbamin'ny fametrahan-tànan'ireo Pretra tafangona. 15 Diniho izany zavatra izany, ary araiketo amin'izany ny tenanao manontolo, mba hiharihary amin'ny olona ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ary mahareta tsara amin'izany, fa raha manao izany hianao, dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1066