Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-5

1 Aza anarina mafy loatra ny anti-dahy, fa anaro toy ny ray izy; ary ny tovolahy, toy ny rahalahy;

2 ny anti-bavy, toy ny reny; ny tovovavy, toy ny anabavy, amim-pahadiovana tanteraka. 3 Omeo voninahitra ny mpitondratena, izay tena mpitondratena tokoa.

4 Fa raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy kosa, dia aoka ho ireo aloha no hianatra hanaja ny fianakaviany, ka hamaly babena ny ray aman-dreniny, fa izany no sitrak'Andriamanitra. 5 Ny hoe mpitondratena tokoa, dia honjohonjon'izy irery no sisa, Andriamanitra no hany antenainy, ka maharitra amin'ny fangatahana amam-pivavahana andro aman'alina izy; 6 fa izay manaram-po amin'ny fahafinaretana foana, dia toa velona, nefa maty tenany. 7 Izany àry no andidio azy ireo, mba tsy hananany tsiny; 8 fa izay tsy miahy ny ao aminy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana, ka ratsy noho ny tsy mpino aza. 9 Ny soratana ho isan'ny mpitondratena dia aoka tsy ho latsaka ny enim-polo taona, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha,

10 tsara laza amin'ny asa soa: namelon-janaka, nampiantrano vahiny, nanasa tongotry ny olo-masina, niantra ny ory, nazoto tamin'ny asa soa rehetra. 11 Fa aza mandray ny mpitondratena tanora, satria rahefa voan'ny filan'ny nofo ka tofoky ny Kristy ireny, dia ta-hanambady indray, 12 ka meloka, fa nivadika ny teny napetrany voalohany; 13 sady midonana-poana koa ireny, ka rafitra ny hitety trano, dia tsy midonana-poana fotsiny, fa be taria, misafo ny an'olona, miresaka ny tsy tokony horesahina. 14 Koa tiako aza hanam-bady ireny mbola tanora ireny, mba hanan-janaka, sy hitondra ny tokan-tranony; ary tsy hanome basy hamelezan'ny fahavalo vava ratsy, 15 satria efa nisy lasa nivily sahady hanaraka an'i Satana. 16 Raha misy mpino manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy no hamelona azy, mba tsy hahavaky tratra ny Eglizy, sy hahazoany mamelona izay tena mpitondratena. 17 Izay Pretra tsara fitondra dia mendrika hajan-dray aman-dreny avo sasaka; indrindra fa ireo milozoka mitory teny sy mampianatra,

18 fa hoy ny Soratra Masina hoe: Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary; ary koa: Ny mpiasa dia mendrika ny tambiny. 19 Aza mandray teny fiampangana Pretra, raha tsy misy vavolombelona roa na telo; 20 ka izay manota, dia anaro eo anatrehan'ny olona rehetra, mba hampatahotra ny sasany koa. 21 Mihanta aminao eo anatrehan'Andriamanitra sy Jesoa-Kristy ary ny anjely olom-pinidy aho, mba tsy hanananao olon-tiana, na hasianao fiangarana kely akory ny fitandremana izany zavatra izany.

22 Aza malaky mametra-tànana amin'iza na iza, ary aza miombona ota amin'olona, fa tahirizo madio ny tenanao. 23 Aza dia tsy misotro afa-tsy rano, fa mba misotroa divay kely koa, noho ny ambavafonao sy ny fahosaosanao matetika. 24 Ny fahotan'ny sasany dia miharihary ka mialoha ny fitsarana; fa ny an'ny sasany kosa, dia manaraka ato aoriana; 25 toy izany koa ny asa tsara: misy miharihary, misy tsy toy izany aloha, nefa tsy ho azo afenina lalandava.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0523