Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-11

1 Enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko hianareo! Eny, mahay mandefitra ahy tokoa hianareo.

2 Manana fahasaropiaron'Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofom-badin'ny lehilahy anankiray hianareo, dia ny Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio. 3 Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin'ny Kristy, toy ny namitahan'ny bibilava an'i Eva tamin'ny hafetsen-dratsiny. 4 Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na hianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy. 5 Fa angaha misy maha-latsa-danja ahy noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo? 6 Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa, araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin'ny zavatra rehetra. 7 Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo, ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo? 8 Ny an'ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho, mba hoentiko miasa aty aminareo. 9 Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza, dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedonia no nanome izay nilaiko. Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo, ary mbola hotandremako koa aza izany. 10 Raha ao anatiko koa ny fahamarinan'ny Kristy, marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran'i Akaia manontolo izany. 11 Nahoana àry? Noho ny tsy fitiavako anareo ve? Andriamanitra no mahalala. 12 Fa izay ataoko dia mbola hataoko ihany, mba tsy hahita fialan-tsiny ry zareo mitady hevitra hampiharihary azy ho tahaka anay ihany amin'izay hireharehàny.

13 Apostoly sandoka anie izy ireny e, mpiasa mamitaka, mpaka endriky ny Apostolin'ny Kristy! 14 Ary aza gaga amin'izany hianareo, fa na i Satana aza mahay maka ny endriky ny anjelin'ny mazava koa; 15 ka tsy mahagaga na maka ny endriky ny mpandraharahan'ny fahamarinana aza ny mpandraharahany. Fa ny hiafaràny no ho araka ny asany ihany. 16 Hoy indray aho: aza misy manao ahy ho adala; tsy maninona anefa, raiso toy ny adala ihany aho, raha sitrakareo, mba hahazoako mirehareha kelikely koa.

17 Eny, izao holazaiko izao, dia tsy araka ny Tompo no ilazako azy, fa hoatra ny adala aho amin'izao fahasahiako mirehareha izao. 18 Be àry no mirehareha araka ny nofo, ka dia mba hirehareha koa aho; 19 sady hendry koa hianareo, ka mandefitra an-tsitra-po amin'ny adala. 20 Eny, mandefitra tokoa hianareo, raha misy manandevo anareo, raha misy mandany anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy mirehareha aminareo, raha misy mamely ny tavanareo. 21 Menatra aho no milaza, fa izahay no nalemy. Izay sahin'ny olona anefa, miteny toy ny adala aho, dia mba sahiko koa. 22 Hebrio va izy ireo? izaho koa; Israelita va izy? izaho koa; taranak'i Abrahama va izy? izaho koa; 23 mpandraharahan'ny Kristy va izy? hiteny toy ny olona very saina aho, eny, mihoatra noho izy aho amin'izany, dia amin'ny fisasarana manan-tombo, amin'ny tranomaizina manan-tombo, amin'ny kapoka manan-tombo lavitra, amin'ny fahafatesana matetika. 24 Indimy aho, nokapohin'ny Jody inefa-polo latsaka iray avy; 25 intelo nokapohina rotsa-kazo; indray maka, notoraham-bato; intelo, vaky sambo; indray andro sy indray alina, tao an-davaka lalina. 26 Tany am-pivahiniana imbetsaka, matetika no saiky nidiran-doza, dia loza tamin'ny ony, loza tamin'ny jiolahy, loza tamin'ny iray firenena amiko, loza tamin'ny jentily, loza tao an-tanàna, loza tany an'efitra, loza tany amin'ny ranomasina, loza tamin'ny rahalahy sandoka; 27 tamin'ny famonoan-tena sy fikelezana aina, tamin'ny fiaretan-tory matetika, tamin'ny hanoanana aman-ketaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka amam-pitanjahana. 28 Tsy hamisavisa zavatra maro aho, fa fanampin'izany, eo koa ny fiahiana isan'andro sy ny fikarakarana ny Eglizy rehetra. 29 Iza no malemy ka tsy malemy koa aho? zovy no tafintohina ka tsy mirehitra koa aho? 30 Raha mety ny mirehareha, dia ny amin'ny halemeko no hataoko rehareha.

31 Ary Andriamanitra, Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika, izay isaorana mandrakizay, no mahalala fa tsy mandainga aho. 32 Tany Damasa, ilay governora voatendrin'i Areta mpanjaka dia nampiambina ny tanànan'i Damasa mba hisamborana ahy; 33 fa nampidinina an-tsobika avy teo am-baravarankely, nanaraka ny manda aho, ka afaka teo am-pelatànany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0904