Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-12

1 Mety ve ny mirehareha e? Tsy mahasoa izany, nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry sy ny fanambarana avy amin'ny Tompo.

2 Misy olona anankiray fantatro ao amin'ny Kristy, efa efatra ambin'ny folo taona lasa izay, nakarina hatrany amin'ny lanitra fahatelo; tsy fantatro na tao amin'ny vatana na tsy tao amin'ny vatana izany: Andriamanitra no mahalala. 3 Ary fantatro fa io olona io, na tao amin'ny vatana izany, na tsy tao amin'ny vatana, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, 4 dia nakarina tany am-Paradizy, ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon'ny olombelona ambara; 5 ny amin'io olona io no hireharehako; fa ny amin'ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany. 6 Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik'adala, fa ny marina ihany no holazaiko; nefa hahatam-bava aho, fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko, na reny avy amiko. 7 Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben'ireo fanambarana aho, dia nasiana tsilo tao amin'ny nofoko, dia anjelin'i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako.

8 Ny amin'io dia intelo aho no nangataka tamin'ny Tompo, mba hanalany an'io amiko, 9 fa izao no navaliny ahy: Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin'ny fahalemena indrindra no iamparan'ny heriko. Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'ny Kristy amiko. 10 Izany no ifaliako amin'ny fahalemeko, amin'ny fahafaham-baraka, amin'ny fahantrana, noho ny amin'ny Kristy, satria ny fahalemeko no heriko. 11 Nisarin'adala aho, fa efa nasesikareo. Hianareo indrindra no tsy maintsy nidera ahy, noho izaho tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na amin'inona na amin'inona, na dia tsinontsinona aza aho.

12 Fa teo aminareo no nisehoan'ny famantarana ny maha-Apostoly ahy, dia tamin'ny faharetana amin'ny fahoriana rehetra, tamin'ny famantarana amam-pahagagana, sy tamin'ny hery maro. 13 Inona moa no mahalatsa-danja anareo noho ny Eglizy sasany, afa-tsy ny tsy namakiako tratra anareo? Mamelà ny hadisoako amin'io. 14 Indro fanintelony izao no vonon-ko any aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; satria tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ny tenanareo; ary tsy ny zanaka no tokony hihary ho an'ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an'ny zanany. 15 Ho ahy, dia sitrako mihitsy ny handany sy holanina manontolo ho an'ny fanahinareo, na dia ho arakaraka ny fitombon'ny fitiavako anareo aza no ho fihenan'ny fitiavanareo ahy. 16 Eny, tsy nahavaky tratra anareo tokoa aho: nefa hafetseko, hono, izany, mba hahazoako anareo am-pitaka!

17 Endrey, moa nandraisako vola aman-karena taminareo va, ireo nirahiko tany aminareo? 18 Nangataka an'i Tito hankany aminareo aho, ary naniraka ilay rahalahy hiaraka taminy koa: moa Tito nandray zavatra taminareo? Tsy fanahy iray ihany va no nandehananay? Tsy làlana iray ihany va no nombanay? 19 Heverinareo angamba fa fialan-tsiny hatrany no lazainay aminareo. Ehe, eo anatrehan'Andriamanitra sy ao amin'ny Kristy no itenenanay; ary fanasoavana ny fanahinareo avokoa ny zavatra rehetra lazainay, ry malala.

20 Izao no atahorako: raha avy izay hahatongavako, sao dia tsy ho araka ny tianareo koa no hahitanareo ahy. Sao dia fifandirana, fifampiandaniana, lolom-po, fifanoherana, fifosana, fanendrikendrehana, fiavonavonana, fikotranana no hitako aminareo. 21 Sao ity aho tonga any aminareo, ka aetrin'ny Andriamanitro indray noho ny aminareo, dia ho latsa-dranomaso noho ireo mpanota maro mbola tsy ho nibebaka tamin'ny fahalotoana amam-pijangajangana ary fijejojejoana nataony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.114