Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-2

1 Ny tsy hiverina indray any aminareo amin'alahelo àry no hevitra tapaka tao am-poko;

2 satria raha mampalahelo anareo aho, iza indray àry no hampifaly ahy, afa-tsy izay nampalaheloviko ihany? 3 Hany antony nanoratako toy izany taminareo, dia ny mba tsy hahazoako alahelo amin'ireo tokony hifaliako, rahefa tonga aho, satria matoky anareo rehetra aho fa raisinareo ho fifalianareo rehetra koa ny fifaliako. 4 Eny, tamim-pahoriana lehibe, sy tamin'alahelo nahahontsa ny foko, ary tamin-dranomaso be no nanoratako taminareo, tsy ny mba hampalahelo anareo anefa, fa ny mba hahafantaranareo ny haben'ny fitiavako anareo. 5 Raha nisy nahatonga alahelo, dia tsy izaho no nampalaheloviny, fa hianareo rehetra no mba nisy nampalahelovany anareo ihany (tsy te-hamely azy mafy loatra aho).

6 Ampy ho an'izany olona izany ny famaizana efa nataon'ny maro aminareo, 7 ka dia ny mamela sy mampifaly azy aza no tokony hataonareo izao, fandrao dia reraky ny alahelo tafahoatra indray izy. 8 Koa mihanta aminareo aho mba ho amim-pitiavana lehibe no handraisanareo azy. 9 Izaho no manoratra aminareo koa anie, dia ny mba hitsapako anareo, na hanaiky ahy amin'ny zavatra rehetra hianareo na tsia e. 10 Izay avelanareo heloka dia avelako koa; fa raha ny amiko, izay heloka navelako, raha mba nisy navelako, dia noho ny aminareo, sy teo imason'ny Kristy no namelako azy, 11 mba tsy ho voan'ny teti-dratsin'i Satana isika, fa fantatsika ny hafetseny. 12 Nony tonga tany Troasy hitory ny Evanjelin'ny Kristy aho, na dia novohana varavarana tao amin'ny Tompo aza,

13 dia tsy nandry ny fanahiko, satria tsy hitako tao Tito rahalahiko; ka nanao veloma ny olona aho, dia lasa nankany Masedonia. 14 Fa isaorana anie Andriamanitra izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin'ny Kristy Jesoa, sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.

15 Fa hanitry ny Kristy ho an'Andriamanitra izahay, na amin'izay voavonjy, na amin'izay very: amin'ny sasany moa, fofom-pahafatesana hahafaty; fa amin'ny sasany kosa, fofom-piainana hahavelona. 16 Zovy àry no tandrifiny hahavita asa toy izany? 17 Fa tsy mba toy ny sasany izay mampifaho ny tenin'Andriamanitra izahay, fa tsy misy famahony sy araka ny nanomezan'Andriamanitra azy no itorianay azy eo anatrehan'Andriamanitra, ao amin'ny Kristy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.038