Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-3

1 Moa midera tena indray va izahay? Sa mila taratasy tahaka ny sasany filazan-tsoa anay na ho any aminareo, na avy any aminareo?

2 Hianareo no taratasinay voasoratra ato am-ponay, sady fantatra sy vakin'ny olon-drehetra. 3 Eny, miseho miharihary fa hianareo no taratasin'ny Kristy, nampanoratiny anay, tsy tamin'ny ranomainty, fa tamin'ny Fanahin'Andriamanitra velona; ary tsy tamin'ny takela-bato fisaka, fa tamin'ny takela-nofo kosa, dia ny fonareo izany. 4 Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin'ny alalan'ny Kristy.

5 Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin'ny tenanay; Andriamanitra ihany no ihavian'ny fahampiany. 6 Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin'ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin'ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin'ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona. 7 Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin'ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan'i Moizy ny zanak'Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,

8 tsy mainka va fa ny fandraharaham-panahy no hohodidinim-boninahitra? 9 Eny, raha ny fandraharahana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana; 10 ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an'ilay voalohany, raha oharina amin'ny an'ity ankehitriny ambony lavitra. 11 Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra. 12 Noho izahay manana izany fanantenana izany àry, dia sahy tokoa izahay,

13 ka tsy mba manao tahaka an'i Moizy izay nanarona ny tavany mba tsy hahitan'ny zanak'Israely tao aminy ny hahataperan'ny fandraharahana mandalo. 14 Fa toa nihajamba ny sain'izy ireo, satria mandraka ankehitriny dia tsy nesorina taminy, fa mbola ao ihany, izany saron-tava izany raha mamaky ny tenin'ny fanekena taloha izy, fa ao amin'ny Kristy ihany moa no anesorana izany. 15 Mandraka ankehitriny, isaky ny vakina ny tenin'i Moizy, dia toa misy sarona manarona ny fon'izy ireo; 16 fa rahefa mitodika ny Tompo kosa izy, dia hoesorina ny sarona. 17 Ary tsy iza izany fanahy izany fa ny Tompo; ary izay itoeran'ny fanahin'ny Tompo no misy ny fahafahana. 18 Koa isika rehetra dia tsy mba voasaron-tava, fa mibanjina ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra; sady ovain'izy Tompo izay fanahy, handray izany endrika izany sy hitombo fahazavana lalandava.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037