Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-4

1 Koa tsy ketraka izahay, manana izany fandraharahana izany, araka ny famindram-po natao taminay;

2 sanatriavinay ny zava-mahamenatra atao an-katakonana; tsy mandeha an-kafetsena izahay, na manampoka ny tenin'Andriamanitra; fa asehonay tsotra izao ny marina, ka tonga mendrika hitokian'ny olon-drehetra eo anatrehan'Andriamanitra izahay. 3 Matoa misy miafina ny Evanjelinay, dia amin'izay manary tena no iafenany, 4 izany hoe amin'ireo tsy mino nohajambain'ny andriamanitr'izao tontolo izao mba tsy hiposahan'ny fahazavam-boninahitry ny Evanjelin'ny Kristy, izay endrik'Andriamanitra. 5 Fa tsy tenanay no torinay, fa Kristy Jesoa Tompo, ary izahay dia mpanomponareo noho ny amin'i Jesoa. 6 Satria, Andriamanitra izay nandidy hoe: Aoka ny maizina no hiposahan'ny mazava, no nanazava ny fonay, mba hampahazavanay ny fahalalana ny voninahitr'Andriamanitra, izay mitaratra amin'ny tavan'ny Kristy. 7 Siny tany anefa no itondranay izany rakitra izany, mba hiharihary fa avy amin'Andriamanitra ny halehiben'ny herin'ny Evanjely, fa tsy avy aminay.

8 Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorina, nefa tsy mamoy fo; 9 enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; 10 entinay amin'ny vatanay lalandava ny fahafatesan'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny vatanay koa. 11 Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin'ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin'i Jesoa, mba hisehoan'ny fiainan'i Jesoa amin'ny nofonay mety maty. 12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Noho izahay manana ilay Fanahin'ny finoana voasoratra hoe: Nino aho, ka niteny, dia mino koa izahay, ka miteny.

14 Satria fantatray fa izay nanangana an'i Jesoa Tompo tamin'ny maty, dia hanangana anay miaraka amin'i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. 15 Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran'ny maro ho voninahitr'Andriamanitra. 16 Izany no tsy mahakivy anay; satria na mihalevona aza ny tenanay ivelany, dia havaozina isan'andro kosa ny tenanay anatiny. 17 Fa ho anay, ny fahoriana kely amin'ny fotoana ankehitriny dia mahavokatra voninahitra lehibe mihoa-pampana maharitra mandrakizay; 18 fa tsy mibanjina ny hita izahay, fa ny tsy hita; satria ny hita, mandalo, fa ny tsy hita no maharitra mandrakizay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0376