Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-6

1 Ka noho izahay mpiara-miasa aminy àry dia mihanta aminareo izahay mba tsy handray foana ny fahasoavan'Andriamanitra hianareo;

2 fa hoy izy: Tamin'ny fotoana tsara, nihaino anao aho; ary tamin'ny androm-pamonjena, namonjy anao aho: indro, ankehitriny no fotoana tsara; indro, ankehitriny no androm-pamonjena 3 sady tsy avelanay hisy manafintohina izay rehetra ataonay, mba tsy ho azo tsinina ny fandraharahanay, 4 fa mainka ny zavatra rehetra entinay hahamendrika ny tenanay araka ny mety amin'ny mpandraharahan'Andriamanitra: dia faharetana lehibe amin'ny fahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fahantrana, 5 amin'ny kapoka, amin'ny tranomaizina, amin'ny tabataba, amin'ny fisasarana, amin'ny fiaretan-tory, amin'ny fifadian-kanina; 6 ary fahadiovan-toetra, fahalalana, faharetam-po, hamoram-panahy, ny Fanahy Masina, fitiavana tsy mihatsaravelatsihy, 7 tory teny marina, ny herin'Andriamanitra, ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny an-kavanana na amin'ny an-kavia; 8 na omem-boninahitra na alam-baraka, na ratsy laza na tsara laza; honoina ho mpamitaka, nefa mpilaza ny marina; ho olon-tsy fantatra, nefa fantatra tsara; 9 sy ho efa ho faty, nefa indro fa velona; ho faizina mafy, nefa tsy maty tsy akory; 10 ho ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; ho mahantra, nefa nampanan-karena ny maro; ho tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra. 11 Ry Korintiana ô! misokatra aminareo ny vavanay, ary malalaka koa ny fonay.

12 Ny ato anatinay tsy mba ety ho anareo, fa ny ao am-ponareo no netenareo, 13 ka mbà mamaly toy izany, fa zanaka no itenenako anareo: mba halalaho koa ny fonareo. 14 Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin'ny tsy mpino hianareo; satria, inona moa no ikambanan'ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan'ny mazava sy ny maizina?

15 Ary inona no ifanarahan'ny Kristy sy Beliala? Na inona no iombonan'ny mpino amin'ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan'ny tempolin'Andriamanitra sy ny sampy? 16 Fa isika no tempolin'Andriamanitra velona, araka ny lazain'izy Andriamanitra hoe: Honina eo aminy aho, ary handeha eo aminy; dia izaho no ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ho vahoakako. 17 Noho izany hoy ny Tompo, mialà aminy hianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto; 18 dia horaisiko hianareo, ka izaho ho Rainareo, ary hianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1016