Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-7

1 Noho isika manana ireo teny fampanantenana ireo àry, ry malala, dia aoka isika hanadio tena ho afaka amin'ny lotom-panahy amam-batana rehetra, ary hanatanteraka ny fanamasinan-tena amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.

2 Ataovy omby anay ny fonareo. Fa izahay tsy nanisy ratsy olona, na nanimba olona, na nanambaka olona, na iza na iza.

3 Tsy ny hanameloka anareo no ilazako izany, fa vao eo aho no nilaza fa ao am-ponay hianareo, ka miara-maty sy miara-belona isika. 4 Hianareo no itokisako indrindra, hianareo no reharehako lehibe; ka feno fanalana alahelo aho, ary vonton-kafaliana tokoa, na dia ao anatin'ny fahorianay rehetra aza. 5 Fa hatramin'ny nahatongavanay tany Masedonia, dia tsy nisy hiainan'ny nofonay, fa nozoin'izao fahoriana rehetra izao izahay: dia ady teo ivelany, sy tahotra tato anatiny. 6 Nefa kosa, Andriamanitra ilay mpanafaka alahelo ny ory dia nanafaka alahelo anay tamin'ny nahatongavan'i Tito, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fanalana alahelo azony taminareo koa, satria notantarainy taminay ny fanirianareo, ny fitomanianareo, ary ny fitiavanareo ahy, ka hafaliana moa izany no ahy tamin'izany! 8 Koa na dia nampalahelo anareo tamin'ny taratasiko aza aho, dia tsy manenina amin'izany intsony, na dia efa nanenina ihany aza; fantatro fa nampalahelo anareo vetivety iihany tokoa izany taratasy izany,

9 nefa faly aho ankehitriny, tsy noho hianareo nalahelo, fa noho ny alahelonareo nampibebaka anareo; satria alahelo araka an'Andriamanitra ny anareo, ka tsy faty antoka ho anareo avy aminay izany na dia kely aza: 10 fa ny alahelo araka an'Andriamanitra dia miasa fibebahana mahavonjy, ka tsy anenenana; fa ny alahelon'izao tontolo izao no miasa hahatonga fahafatesana. 11 Ary akory izato vokatr'izany alahelonareo araka an'Andriamanitra izany! Fa he izato fahazotoana tongany aminareo! endrey izany fanamarinana ny tenanareo! Eny, fahatezerana re izany! tahotra re izany! faniriana re izany! zotom-po re izany! famaizana re izany! Fatratra mihitsy ny nampisehoanareo fa nadio hianareo ny amin'izany raharaha izany! 12 Koa raha nanoratra taminareo aho, dia tsy noho ilay nanisy ratsy, na noho ilay nasian-dratsy, fa ny mba hihariharian'ny fahazotoanareo hahafa-po anay eo anatrehan'Andriamanitra. 13 Dia izany àry no nanafaka alahelo anay. Sady vao mainka niampy indray izany fanalana alahelo izany, noho ny hafalianay nandre ny hafalian'i Tito, fa namelombelona ny fanahiny hianareo rehetra. 14 Ary na mba nirehareha ny aminareo eo anatrehan'i Tito koa aza aho, dia tsy nahamenatra ahy izany, satria noho izahay samy nilaza ny marina taminareo mandrakariva, dia marina ny reharehako ny aminareo tamin'i Tito. 15 Ary raha mahatsiahy ny nanekenareo azy izy, sy ny nandraisanareo azy tamin-tahotra aman-kovitra lehibe, dia vao mainka tsaroany miraikitra mafy aminareo ny fony. 16 Faly aho, fa mahazo matoky anareo amin'ny zavatra rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1109