Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-9

1 Raha ny amin'ny fiantrana ho an'ny olo-masina, dia ambiny fotsiny no anoratako aminareo,

2 fa efa fantatro rahateo ny zotom-ponareo, ary ataoko rehareha aza ny aminareo amin'ny Masedoniana: efa vonona hatramin'ny taon'itsy Akaia, hoy ny filazako tamin'izy ireo; ka efa namporisika ny maro izany fahazotoanareo izany. 3 Nirahiko ihany anefa ireo rahalahy ireo, mba tsy ho foana ny reharehako ny aminareo amin'izany, fa mba ho vonona araka ny efa voalazako tokoa hianareo. 4 Tandremo fa raha misy Masedoniana miara-tonga amiko anie, ka mahita anareo mbola tsy vonona, dia henatra lehibe no ahy e - aoka ihany tsy hatao hoe ho anareo, - noho izao fitokiako fatratra anareo izao! 5 Koa nataoko fa ilaina ny nangataka ireo rahalahy hialoha anay ho aty aminareo, mba hampamonona rahateo ny fiantrana nampanantenainareo, sady haha-tena fiantrana azy tokoa, fa tsy fihihirana. 6 Ary izao no izy: izay mamafy kely dia hijinja kely, ary izay mamafy be dia hijinja be.

7 Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin'alahelo na an-tery, fa ny manome an-kafaliana no sitrak'Andriamanitra. 8 Hain'Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra hianareo, ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin'ny zavatra rehetra ilainareo no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin'ny asa soa isan-karazany,

9 araka ny voasoratra hoe: Namafy tamin'ny fanomezam-be ny mahantra izy, ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany. 10 Ilay manome ny mpamafy ny voa hafafy sy ny hanin-kohaniny, no hanome anareo koa ny voa hafafy sy hampitombo azy, ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo; 11 dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, sy hahafoy be amin-kitsim-po, ka fisaorana an'Andriamanitra noho ny asany no ho vokatr'izany. 12 Satria ny fanaovana izany asa masina izany, dia sady hahatondraka izay ilain'ny olo-masina no hahabe ny fisaorana an'Andriamanitra koa. 13 Eny, ho hitan'ny maro amin'izao fahafoizana ataonareo izao fa olona voazaha toetra tokoa hianareo, ka hankalaza an'Andriamanitra izy noho ny fanoavanareo manaraka ny Evanjelin'ny Kristy, sy noho ny hatsoram-ponareo mampiombona azy sy ny olona rehetra aza amin'ny soanareo. 14 Ary hivavaka ho anareo koa izy, fa tia sy mankamamy anareo erĂ½, noho ny haben'ny fahasoavan'Andriamanitra ao aminareo. 15 Isaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy haim-bava lazaina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1516