Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko voalohany

1 (Taratasy voalohany) Ho an'ireo Jody rahalahiny any Ejipta: Arahaba! Ny Jody rahalahiny ao Jerosalema sy ny amin'ny tanin'i Joda maniry fiadanana tsara!

2 Hanasoa anareo anie Andriamanitra, ary hahatsiaro ny fanekeny tamin'i Abrahama, Isaaka sy Jakoba, mpanompony mahatoky. 3 Hianareo rehetra anie samy homeny fo mitsaoka azy sy manatanteraka ny sitrapony amin-jotom-po sy fankasitrahana. 4 Hosokafany ho an'ny lalàny amam-pitsipiny anie ny fonareo, ary hasiany fiadanana. 5 Hihaino ny vavakareo anie izy sy hihavana aminareo indray ka tsy handao anareo amin'ny andron'ny fahoriana. 6 Ary izahay atý izao dia mivavaka ho anareo. 7 Tamin'ny andro nanjakan'i Demetriosa, taona fahasivy amby enimpolo amby zato, nanoratra ho anareo izahay Jody, tanatin'ny fahoriana mangidy indrindra izay tonga tamin'izany taona izany, dia hatramin'ny nivadihan'i Jasona mbamin'ny mpiandany aminy, tsy hiaro ny tany masina sy ny fanjakana.

8 Nodoran'ny olona ny varavaran'ny tempoly, nalatsany ny ra tsy manan-tsiny. Nivavaka tamin'ny Tompo izahay tamin'izany, ary nohenoina ny vavakay, ka dia nanatitra ny sorona sy ny lafarina tsara indrindra izahay, sady nandrehitra ny jiro sy nandahatra ny mofo. 9 Koa ankehitriny manoratra ho anareo indray izahay, mba hankalazanareo ny andron'ny fetin'ny Tabernakla fanao amin'ny volana Kasleo.

10 Amin'ny taona fahavalo amby valopolo amby zato. (Taratasy faharoa) Ny aty Jerosalema sy Jodea, ny parlamenta sy Jodasa manoratra ho an'i Aristobola, mpanolo-tsain'i Ptolemea mpanjaka, isan'ny fianakavian'ny mpisorona voahasina, sy ho an'ny Jody any Ejipta : Arahaba ! Fiadanana !

11 Novonjen'Andriamanitra tamin'ny loza lehibe izahay, ka misaotra azy indrindra, dia izahay vonon-kiady amin'ny mpanjaka.

12 Fa Andriamanitra mihitsy no nanosika an'ireo nilahatra hamely ny tanàna masina. 13 Satria rahefa lasa nankany Persa ny filohan'ny fahavalo nitondra takika toa tsy ho azo resena, dia voavono izy ireo tao amin'ny fitoerana masin'i Nanea noho ny hafetsen'ireo mpisoron'i Nanea. 14 Tonga tao amin'io fitoerana io Antiokosa mbamin'ireo sakaizany, mody hoe hanambady ny andriamanibavy, kanjo nikendry ny hahazo ny rakitra ao ho haren'ny ampakarina. 15 Narantirantin'ny mpisoron'i Nanea ireo rakitra ireo, ka ny tenan'i Antiokosa no niditra tao anatin'ny fitoera-masina, nomban'ny mpanaraka azy vitsy foana. 16 Vao tafiditra ny tempoly Antiokosa, dia nohidian-dry zareo ny tempoly, ary novohany ny varavara-miafina teo amin'ny valindrihana, nanjerany vato, ka namonoany ity filoha mbamin'ireo nanaraka azy, dia norasarasainy, ka natsipiny tany amin'ny olona tany ivelany ny lohan'izy ireo. 17 Isaorana amin'ny zavatra rehetra anie ny Andriamanitsika, izay nanolo-ko faty ireo mpankahala ny fivavahana. 18 Ka rahefa hankalaza ny fanadiovana ny tempoly, amin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana Kasleo, dia nataonay fa ilaina ny milaza izany aminareo, mba hankalazanareo koa ireo andro fetin'ny Tabernakla, sy ny andron'ny afo, izay nirehitra nony nanatitra sorona Nehemia, rahefa avy nandrafitra indray ny tempoly sy ny otely.

19 Satria fony nentina tany Persa ny razantsika dia nangalan'ireo mpisorona tia vavaka tamin'izany andro izany, ny afon'ny otely, ka nafeniny mangingina tao amin'ny lava-patsakana maina anankiray, ary fatratra ny nanafenany azy tao, ka tsy nisy nahalala izany toerana izany ny olona rehetra.

20 Nony afaka taona betsaka tatý aoriana, rahefa izany no sitrak'Andriamanitra, dia nalefan'ny mpanjakan'i Persa ho any Jodea Nehemia, ka nasainy nikaroka ilay afo ny taranak'ireo mpisorona nanafina azy. Nolazain'ireo taminy anefa, fa rano marihitra no hitany fa tsy ny afo. 21 Ka nasainy nanovozana sy nitondrana tao aminy izany. Rahefa izany, nony efa nataony teo ambonin'ny otely ny zavatra ilaina hanaovana ny sorona, dia nasain'i Nehemia nofafazan'ny mpisorona tamin'izany rano izany ny kitay hazo mbamin'izay teo amboniny. 22 Notanterahina izany didy izany, ary nony inona, ka tonga ny fotoana namirapiratan'ny masoandro, izay voatakon'ny rahona hatramin'izay, dia nisy afo mivaivay lehibe nirehitra, ka gaga avokoa ny olona rehetra! 23 Dia nihalevona teo ny sorona, dia nanao fivavahana ny mpisorona narahin'izay rehetra, ka Jonatasa no nitarika, ary ny sisa rehetra hatramin'i Nehemia koa niray feo taminy.

24 Toy izao izany fivavahana izany: Tompo ô, Tompo ô, Andriamanitra mpahary ny zavatra rehetra, mahatahotra sy mahery, marina sy miantra, 25 hany mpanjaka sy tsara fo, hany mazava fo sy marina tokana, mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, izay manafaka an'Israely amin'ny loza rehetra, sy nanao ny razanay ho olom-boafidinao, sady nanamasina azy, 26 raiso ity sorona ity, ho an'Israely vahoakanao, tano ny lovanao, ary hamasino izy. 27 Vorio ireo mihahaka avy aty aminay, afaho ireo mpanompo any amin'ny firenena, topazo fijery antra ireo esoina sy nakahalaina, mba ho fantatry ny firenena fa hianao no Andriamanitray. 28 Faizo izay mampahory sy maniratsira anay amim-pireharehana. 29 Aoreno eo amin'ny fitoerana masina, araka ny voalazan'i Moizy, ny vahoakanao. 30 Fanampin'izany, nanao hira ireo mpisorona. 31 Nony levona ny sorona, nasain'i Nehemia araraka tamin'ny vato lehibe ny rano sisa.

32 Vita izany, dia nisy afo nirehitra tao, ka nony notarafin'ny tsirim-pahazavana avy eo amin'ny otely ny rano, dia levona. 33 Niely ny filazana izany zava-niseho izany, dia nilazana ny mpanjakan'i Persa fa teo amin'ny fitoerana nanafenan'ny mpisorona nenti-ko babo ny afo masina dia nahitana rano, ary io rano io no nanamasinan-dry Nehemia ny sorona. 34 Dia nasain'ny mpanjaka nofefena sy nataony masina izany fitoerana izany, ary izany no nanamarinany ny zava-niseho. 35 Nizarany fanomezana maro samihafa izay mpahita fitia aminy. 36 Neftara, izany hoe fanadiovana, no niantsoan'ireo naman'i Nehemia izany fitoerana izany, fa Neftaia kosa, hoy ny maro miantso azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0372