Boky Faharoan'ny Makabeo

Toko faha-10

1 Tamin'izany, azon'i Makabeo sy ny namany indray ny tempoly sy ny tanàna, noho ny fanampian'ny Tompo.

2 Noravany ny otely natsangan'ny hafa firenena teo an-kianja, mbamin'ny hazo masina. 3 Rahefa izany, nodioviny ny tempoly dia nanangana otely hafa izy, ary namelona afo tamin'ny vato kilonjy izy, dia naka tamin'izany afo izany, ka nanatitra sorona, sy nandoro ny emboka hanetona, fa roa taona izay no niatoany, dia narehiny ny jiro, napetrany teo ambony latabatra ny mofo alahatra. 4 Vita izany dia nihohoka tamin'ny tany izy nivavaka tamin'ny Tompo, mba tsy hampidi-doza toy izany aminy intsony; nangataka izy mba hofaiziny araka ny mety, raha mbola manota ihany, fa tsy hatolony an'ireo firenena mpankahala ny fivavahana sady barbariana. 5 Tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana Kasleo no nandotoan'ireo hafa firenena ny tempoly, ary sendra io andro io koa no nanadiovana azy. 6 Ary nanao fety nandritra ny havaloana, toraky ny fanao amin'ny tabernakla izy ireo, nahatsiaro fa vao andro vitsy talohan'izay, dia tany an-tendrombohitra, tao anaty zohy izy ireo no nitoetra tamin'ny fetin'ny Tabernakla, toy ny biby dia.

7 Ka dia nitondra tirsa sy sampan-kazo aman-tsampan-drofia izy ireo, sady nanao hira fankalaza an'ilay nitondra azy soa aman-tsara hanadio ny tempoly. 8 Ary nataony didy voa-antso ampahibemaso ary lalàna, ny hankalazan'ny firenena Jody rehetra isan-taona izany andro izany. 9 Toy izany ary no andinidinin'ny nahafatesan'i Antiokosa ilay natao hoe Epifana;

10 Dia indray hasehonay kosa izao ny momba an'io Antiokosa Epatora, zanak'io mpankahala ny fivavahana io, hotantarainay fohifohy ny loza vokatry ny ady. 11 Nony tonga teo amin'ny seza fiandrianana izy, dia nametraka an'i Lisiasa anankiray izay, ho lohan'ny raharaha; ary io koa no voatendry ho komandy ambony indrindra amin'ny tafika any Sele-Siria sy Fenisia.

12 Fa Ptolemea natao hoe koa Makrona no voalohany nanaraka ny rariny tamin'ny Jody noho ny hamafin'ny nanjò azy ireo ary nikely aina hitondra azy amim-piadanana. 13 Kanjo izany indrindra no niampangan'ireo sakaizan'ny mpanjaka azy teo anatrehan'i Epatora, sady isak'izao misy zavatra kely izao, reny antsoina hoe mpamadika ihany izy, noho izy nandao an'i Sipra izay napetrak'i Filometora taminy sy niandany tamin'i Antiokosa Epifana, ka tsy nanana afa-tsy fiandrianana tsy misy hajany intsony, dia nanary toky izy, ka namono tena tamin'ny poizina. 14 Ary Gorjiasa izay tonga lehiben'ny miaramila tamin'ireo faritany ireo, dia naka miaramila hafa firenena, sy nanararaotra mandrakariva izay azony iadina amin'ny Jody.

15 Ny Idomeana, tompon'ireo trano mimanda tsara koa tetsy an-daniny, nanorisory ny Jody; noraisiny ireo natosika hiala ao Jerosalema; nataony izay hahavelona ny ady.

16 Ry Makabeo sy ny namany, nony nivavaka sy nangataka tamin'Andriamanitra hanampy azy, dia niroatra namely ireo trano mimanda, nataon'ny Idomeana.

17 Nanihiny tamin-kerim-po ireo, ka azony terý; natosiny avokoa izay niady teo ambony manda, novonoiny daholo izay rehetra sehatra ny tànany, tsy latsaka ny roa alina ny isan'ny maty. 18 Nisy arivo lahy koa raha dia kely no nialoka tao amin'ny tilikambo roa mafy dia mafy, nanana izay ilainy rehetra hanohanana ny fahirano. 19 Simona sy Josefa mbamin'i Zakea sy ny namany, ampy isa tsara, no navelan'i Makabeo hampikoy an'ireo, dia lasa nankany amin'izay nisy nahamaika izy. 20 Kanjo lian-karena loatra ny miaramilan'i Simona ka nanaiky hosisihan'ny sasany tao anatin'ny tilikambo vola, dia nandray fito alina drakma ka navelany nandositra ny sasany taminy. 21 Nony nolazaina tamin'i Makabeo izany zava-niseho izany, novoriny ny filohan'ny vahoaka, dia nampangainy ireo olona ireo, fa namidy amam-bola ny rahalahiny, satria nalefany handeha ny fahavalo nitam-piadiana hamelezana azy. 22 Rahefa izany nasainy novonoin-ko faty ireo mpamadika ireo, dia afany niaraka tamin'izay ireo tilikambo roa. 23 Fatratra ny nitondrany ny raharahan'ny ady, ka mihoatra noho ny roa alin-dahy no matiny tamin'ireo trano mimanda roa ireo. 24 Timoteo ilay resin'ny Jody teo aloha kosa namory miaramila betsaka hafa firenena sy naka mpitaingin-tsoavaly betsaka tany Asia, dia nandroso haka an'i Jodea tamin'ny ady indray.

25 Nony mby akaiky izy, ny mivavaka tamin'Andriamanitra no nataon'i Makabeo sy ny namany; nohosenany lavenona ny lohany, nosikinany lasaka ny valahany; 26 niankohoka teo am-pototry ny otely izy, nangataka tamin'ny Tompo homba azy ireo, sy ho fahavalon'ireo fahavalony ary ho rafin'ireo rafiny, sy hanohitra an'ireo manohitra azy, araka ny fampanantenan'ny lalàna. 27 Vita ny fivavahany dia noraisiny ny fiadiany, ka nivoaka ny tanàna izy sy lasa lavitra ihany; efa mby teo akaikin'ny fahavalo vao nijanona. 28 Vao nazava ny andro, dia rafitra ny adin'izy roa tonta; ireto an-kilany moa, fanampin'ny herim-pony dia ny fangatahana tamin'ny Tompo no antoky ny fahombiazany amam-pandreseny; iretsy an-daniny kosa tsy naka mpitarika azy tamin'ny ady afa-tsy ny fisahoahany. 29 Nony efa mafy indrindra ny ady, indreo niseho teny an-danitra tamin'ny fahavalo ireto olona dimy lahy mamirapiratra nitaingin-tsoavaly voaisy sakam-babany volamena, ary tonga nitarika ny Jody. 30 Nataon'ny roa tamin'izy ireo teo afovoany Makabeo, dia nambenany tsy haratra, nosaronany tamin'ny fiadiany; niaraka tamin'izay, dia nalefany ny zana-tsipìka sy varatra, nojanjanany ny fahavalo, izay efa jenjina sy nivadi-po, ka lavo nifanaritaka. 31 Miaramila an-tongotra diman-jato no maty tamin'izany. 32 Timoteo nandositra tao an-tanàna anankiray mafy dia mafy atao hoe Gazara, notapahin'i Sereasa. 33 Fa Makabeo sy ny namany kosa, nanao fahirano azy tamin-kafanam-po sy hafaliana nandritra ny hefarana. 34 Nitoky tamin'ny hamafin'ny tanàna ny nafahirano, ka tsy nitsahatra ny niteny ratsy an'Andriamanitra sy namoaka vava fankahalana ny fivavahana. 35 Vao nipoaka ny andro fahadimy, dia nisy zatovolahy roapolo tamin'ny miaramilan'i Makabeo nirehi-pahatezerana tamin'izany fiterenan-dratsy an'Andriamanitra izany, ka niantoraka tamin-kasahiana nananika ny manda sy namono izay teo anoloany rehetra, tamin-kerim-po, toy ny liona. 36 Dia niakatra koa ny sasany ka namely ny nafahirano tandrifiny, nodorany ny tilikambo, ary nandrehitra kitay hazo izy nandorany velona an'ireo mpiteny ratsy an'Andriamanitra; ny hafa kosa namaky ny vavahady sy nanokatra làlana hidiran'ny tafika sisa, izay nahazo ny tanàna. 37 Trany niery tao amin'ny lavaka famorian-drano anankiray Timoteo ka novonoiny ho faty, toy izany koa Sereasa, rahalahiny sy Apollofana. 38 Nony vita izany asan-kerim-po izany, dia nanao hira fiderana amam-pankalazana izy ireo, nisaotra ny Tompo izay nanao zava-dehibe ho an'Israely, sy nanome fandresena azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1012